Teny iditra sahanina (sahana)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Atao, iandraiketana, vonjena miaraka: Sahaniny avokoa ny zavatra rehetra ka tsy misy vitany tsara [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be faced up to [1.7]
Fanazavàna teny frantsay (Travail) auquel on fait face: Tsy zakako sahanina ireo raharaha betsaka ireo (Je ne puis pas faire face à tant de travaux) [1.3]
 à quoi on fait face [1.8]
Ohatra Hanomboka rahampitso maraina indray ny herinandro hamonjen'ny tsirairay avy ny adidy sy andraikitra sahaniny [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : sahanina, sahaniko, sahaninao, sahaniny, sahanintsika, sahaninay, sahaninareo, sahanin', sahanin-, sahanim-, sahani-
Ny lasa : nosahanina, nosahaniko, nosahaninao, nosahaniny, nosahanintsika, nosahaninay, nosahaninareo, nosahanin', nosahanin-, nosahanim-, nosahani-
Ny hoavy : hosahanina, hosahaniko, hosahaninao, hosahaniny, hosahanintsika, hosahaninay, hosahaninareo, hosahanin', hosahanin-, hosahanim-, hosahani-
Filaza mandidy : sahano
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2024/02/07