Teny iditra roritina (roritra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Sintonina, tarihina, sarihana: Aza roritinao mafy toy izao ny sandriko
Henjanina: Nororitiny ny lamboridin-tsoavaly dia nijanona tampoka ilay biby
Halavaina, itarina, taritina ho lava: Nororitiny ny filazan-javatra ka nanjary nahasosotra
Vivitina: Rorito ny sofin' io zaza io fa mandainga [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be pulled from opposite directions; to be stretched out like rubber [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on tiraille; qu'on tend en tiraillant [1.8]
Ohatra matoa miteny izy, misy antony hatrany, saingy roritiny sy itariny izany fitenenana izany, ary tsy hadinony mihitsy ny mampahatsiahy anay ny toerana misy anay eo amin' ny fiaraha-monina. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : roritina, roritiko, roritinao, roritiny, roritintsika, roritinay, roritinareo, roritin', roritin-, roritim-, roriti-
Ny lasa : nororitina, nororitiko, nororitinao, nororitiny, nororitintsika, nororitinay, nororitinareo, nororitin', nororitin-, nororitim-, nororiti-
Ny hoavy : hororitina, hororitiko, hororitinao, hororitiny, hororitintsika, hororitinay, hororitinareo, hororitin', hororitin-, hororitim-, hororiti-
Filaza mandidy : rorito
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11