|
|
|
|

Teny iditra1  rakitra
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Vola angonina tsikelikely hatao tahiry: Manaova rakitra raha ta hahazo bisikileta ianao amin' ny faran' ny taona
Harena, zava-tsoa sarobidy voatahiry: Rakitra lehibe ho an' ny firenena ireo sangan' asan' ny mpanoratra ao aminy
Toerana misy ny vola angonina: Namahy rakitra Ikoto omaly
Vola tantazana amin' ny olona vory maro be tsirairay, indrindra any ampiangonana: Tsy hisy vidimpidirana fa rakitra no hotantazana eo am-baravarana.
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.2] a treasure, a hoard.
5  [1.7] a hoard, a treasure; a collection in church
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.8] accumulation, trésor; quête à l'église
Ohatra  7  Ny variteloventy no fanao rakitra. [2.649#]
8  Koa moa tsy toy ireny atý amintsika ireny fa misy mbamin'ny tanty rakitra. [2.356#]
9  Ny tantara amin'izany no halahatra eto fa rakitra miafina tao am-pon' ireo razam-be nifandimby ireo izany. [1.353#]
Sampanteny 
10  Matoantenin' ny mpanao :
11  Matoantenin' ny iharana :
12  Matoantenin' ny fameno :
13  Anarana :
14  Mpamaritra :
Kamban-teny 
Lohateny  24  Rakibolana Rakipahalalana (Akademiam-pirenena Malagasy)
25  Raki-pandinihana : Études de linguistique, d'anthropologie et de littérature malgaches (offertes au Professeur Siméon Rajaona) (Gueunier Noël)
26  Raki-piainana : ireo mpanoratra Malagasy : ianarana ao amin'ny kolejy sy lisea (Razafindralambo Fulgence)
27  Rakiteny (CIDST)
28  Zaikabe -- Sarasara tsy ambaka : Rakitry ny Zaikabe merina, 1997-1999 (Ratefy)
Ohabolana  29  Ohabolana misy io teny rakitra io

Fivaditsoratra  30  kitrara, rakatry, rakitra

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/05