Teny iditra miteny (teny)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mamoaka teny na "feo misy heviny fanaon' ny olombelona": Efa miteny ny zandrinay fa tsy mbola mandeha
Miresaka: Niteny tamiko momba anao i rainao
Manonona: Iza no niteny ny anarako taminareo ireo
Milaza (arahin' ny "hoe"): Raha vao niditra izy dia niteny hoe: "Ny Fiadanana anie ho aminareo".
Mitovy hevitra: latsa-bava ~ loabolana ~ milaza ~ miloa-bava ~ miloa-peo ~ mivolana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To speak, to tell; to admonish [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Parler, dire; admonester [1.3, 1.8]
 Discourir, annoncer, proclamer, ordonner, défendre, avertir: Aza miteny lalandava (Ne parlez pas continuellement) [1.3]
Ohatra 
1Nanontany an-dRenilezo izay miteny aho; [2.324]
2Aza manapaka an-drainao raha miteny izy. [2.270]
3Miteny irery, toy ny miresaka amim-Bazimba. [2.69]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : miteny
Ny lasa : niteny
Ny hoavy : hiteny
Filaza mandidy : mitenèna
Kamban-teny 
Lohateny Fanazarana hiteny, fanabeazam-boho (Ranaivomanana Raymond)
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/08