Teny iditra |
mitambotsotra
(tambotsotra (votsotra))
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Fanazavàna teny malagasy | Midina ambany: Mitambotsotra ny pataloanao fa akaro Mikorisa midina: Asondrotra foana io zaza io rehefa matory fa mitambotsotra lava izao Mitaredretra: Nitambotsotra tany an-dalana ny anao ka tsy nahatratra sakafo Mihena, mihaosa: Efa mitambotsotra ny sain' io antidahy io Tsy mahajoro ka mianjera: Raha vao nahare ny nahafatesan-drainy izy dia torana ka nitambotsotra Mitakemotra tsy sahy manohy fa miverina ilalana: Nitambotsotra Rakoto ka niala tsy hofidina indray ~ Telo no nitambotsotra tamin' ireo mpifaninana hazakazaka amin' ny tongomalady [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | To sink, to slip down, to decrease [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | S'affaiser, dégringoler [1.3]
|
| Glisser, diminuer de force, d'intelligence, reculer dans les honneurs [1.3]
|
| Diminuer; s'abaisser [1.8]
|
Ohatra |
1 | Asondroty ny zaza kely izay ao am-babenao, fa mitambotsotra (Faites remonter plus haut l'enfant que vous portez sur le dos, parce qu’il glisse)
[1.3]
|
2 | Mitambotsotra mandrakariva ao am-pandriana io zaza kely io (Ce petit enfant glisse toujours vers les pieds du lit en dormant, glisse toujours en bas de l'oreiller en dormant)
[1.3]
|
3 | Mitambotsotra co ambonin’ ny entana ny lapoaly (La poêle glisse et se détache du paquet)
[1.3]
|
4 | Torana izy ka nitambotsotra (Il s évanouit et s'affaissa sur lui-même)
[1.3]
|
5 | Nitambotsotra ny am-piantany (La muraille a dégringolé)
[1.3]
|
6 | Mitambotsotra ny sain’ io lahiantitra io (L’intelligence de ce vieillard diminue, baisse)
[1.3]
|
7 | Nitambotsotra tamin’ ny voninahiny izy (Il a reculé dans les honneurs)
[1.3]
|
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
mitambotsotra |
Ny lasa : |
nitambotsotra |
Ny hoavy : |
hitambotsotra |
Filaza mandidy : |
mitambotsora |
|
Sampanteny |
Kamban-teny |
|
|