|
|
|
|

Teny iditra 1  mihodivitra
Fototeny  2 hodivitra
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Tsy mahitsy, miraika kely: Mihodivitra ny kofehy ka henjano tsara ~ Mihodivitra ity andry ity
9 Mihodina any amin' ny ilany, mivily, miolaka: Raha nihodivitra kely ilay vato, dia nahavoa ny masoko
10 Mihilana: Saika nianjeran' ny vato aho raha tsy nihodivitra kely
11 Lasa nandositra mangingina, tsy hitahita akory: Nozahan' ny Polisy ny anao lahy ka nihodivitra
12 Miala amim-pahakingana: Mihodivitra amin' ny raharaha sarotra
13 Mihazo lalana miolaka mba tsy hifanena amin' olona: Mihodivitra olona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  14 to turn aside; to be untrustworthy [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  15 se détourner; faire des détours [1.8]
Mpanahaka  16  Mibirioka, 17  Mibisioka, 18  mibolidy, 19  mivaona, 20  miviona
Ohabolana  21  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22