Teny iditra mifanaraka (araka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Tsara miaraka: Mifanaraka tsara ny akanjo sy ny lambanao
Manapakevitra miaraka: Nifanaraka Rabe sy Rakoto fa hanokatra varotra
Arakaraka ny, tahaka ny, mitovy amin' ny...: Tsy mifanaraka amin' ny teniny ny ataony [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To agree [1.7]
Fanazavàna teny frantsay être d'accord, s'entendre [1.8]
Ohatra 
1Itambarana indray kosa io ka ny lehibe sy ny zokiny indrindra mifanaraka hatrany, no manatsoboka ny sotrony ao an-dovia. [2.470]
2Razanatsoa indray nampiantrano mpikarama vahiny nifanaraka taminy fa hamboly ny voanjony. [2.472]
3Izay mahatsara azy, izay mifanaraka amy ny vintana: [2.48]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mifanaraka
Ny lasa : nifanaraka
Ny hoavy : hifanaraka
Filaza mandidy : mifanaraha
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20