Teny iditra matetika (tetika)
Sokajin-teny mpamaritra na tambinteny
Fanazavàna teny malagasy Imbetsaka ary mifanakaiky ara-potoana: Mamangy an-janany matetika izy. [1.1]
 Misesy, mifanakaiky tsy misy elanelany lavitra; mifanety: Ataovy matetika ny ketsa raha ta hahazo vary betsaka ianao. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Often [1.7]
 Frequent [1.2, 1.7]
 Used of intervals of time or space in contradistinction to mahalana. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Souvent [1.3, 1.5, 1.8, 1.6]
 Fréquent [1.3, 1.8]
 Serré, pas assez espacé. [1.5]
Fanazavàna teny alemà Häufig
halatra, loza matetika häufige Diebstähle, Unfälle = wiederholt [1.56]
 HäufigDie Infektion tritt in jedem Alter auf, häufig aber bei Kindern. -- Er hat es ihr so oft gesagt, dass sie es eigentlich wissen müßte.
lalana aleha matetika ein häufig benutzter Weg; boky vakiana matetika ein häufig gelesenes Buch; mamangy olona matetika jemanden häufig besuchen = mehrmals, oftmals != einmal, selten. [1.56]
Ohatra Nifankahita matetika teo amin'ny rano mafana teo ireo zatovo roa nifankatia tamin'eritreritra ireo [2.324]
Haiendriteny 
Tsotra : matetika
Filaza mandidy : mateteha
Tohi-kevitra 
Kamban-teny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/14