|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  manomboka
Fototeny  2 tomboka
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Manao ny fiandohany: Tamin' ny valo aho no nanomboka ny entimodiko
9 Manao voalohany: Iza no nanomboka ady taminareo roa lahy
10 Miandoha, tonga ny fiandohany: Manomboka sahady lahy ny fahavaratra [1.1]
Ohatra  11  manomboka izao ankehitriny izao ialahy, izao dia izao, dia any alatrano ialahy no matory. [2.470#158]
12  Amin' ny fito no manomboka ny asa, dia mijanona amin' ny iray. [2.472#172]
Mpanahaka  13  mamaky lay, 14  mamaky tantana mamaky sarona, 15  mamari-body, 16  manandrana, 17  manantatra, 18  Manao satrany, 19  manintsana avido, 20  miala faditra ahitra, 21  miala kopakopaka, 22  misantatra, 23  misava ranon' ando, 24  mitarika, 25  mitokana, 26  tonga dia vavany

Teny iditra (2/2) 27  manomboka
Fototeny  28 tomboka
Sokajin-teny  29  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
30  Ny ankehitriny :
31  Ny lasa :
32  Ny hoavy :
33  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  34 Manisy marika amin' ny vy mahamay, mitetika: Misy olona manomboka ny tarehiny any Afrika [1.1]

Fivaditsoratra  35 mambokona, 36 mambonoka, 37 mañakombo, manomboka

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22