|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  mandevona
Fototeny  2 levona
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Manafongana, manafoana: Mandevona ny zavatra rehetra manodidina ny ipoahany ny baomba atomika
9 Manimba: Aza mandevona ny zavatr' olona
10 Mandrava, mandringana, mamongatra: Jiolahy no nandevona ny fananany rehetra teto
11 Mampanjary ho fofona, etona na rano: Mandevona ny rira ny rano
12 Mampanjary ny sakafo hanina ho za vatra mahavelona ny tena: Ny vavony no mandevona ny sakafo hanintsika [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  13 to consume, to destroy; to dissolve, to digest [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  14 détruire, anéantir; dissoudre, digérer [1.8]
Ohatra  15  Manatombo an' isa lavitra anefa ireto vaovao ary mihamivelatra hatrany mandevona iretsy tranainy ao anatiny. [2.606#]
16  Fa raha mahery fahatelo, mahery fanjaka: fa ny havana ihany no manavangavana, ary ny fanahin'andevo no mandevona. [2.298#]

Teny iditra (2/2) 17  mandevòna
Fototeny  18 levona
Sokajin-teny  19  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandevona [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]

Fivaditsoratra  20 manandevo, mandevona, mandevòna

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/14