Teny iditra kobanina (kobana)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Atsikebona ka miloatra daholo ny loto ao aminy: Nokobanin' ny ankizy ny rano tao am-pantsakana ka naloto
Hetsiketsehina: Kobany ao anaty barika ny rano hanasana azy
Ahontsankontsana: Kobano ny fanafody alohan' ny hisotroana azy
(lamba sasana) Atsoboka ao anaty rano madio mba hanala ny ranon-tsavony: Kobanina ny lamba rehefa vita ny fikosehana azy [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on agite, qu’on trouble, qu’on remue dans un récipient. Nokooanin’ ny mpandeha ny rano ka tsy azo sotroina. Les passants ont troublé l’eau, et elle n’est pas potable [1.3]
Ohatra Amin'ny farany, kobanina ny lamba mba ho lasa ny ranon-davenona. [2.117]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : kobanina, kobaniko, kobaninao, kobaniny, kobanintsika, kobaninay, kobaninareo, kobanin', kobanin-, kobanim-, kobani-
Ny lasa : nokobanina, nokobaniko, nokobaninao, nokobaniny, nokobanintsika, nokobaninay, nokobaninareo, nokobanin', nokobanin-, nokobanim-, nokobani-
Ny hoavy : hokobanina, hokobaniko, hokobaninao, hokobaniny, hokobanintsika, hokobaninay, hokobaninareo, hokobanin', hokobanin-, hokobanim-, hokobani-
Filaza mandidy : kobano, kobany
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/28