Teny iditra kabarina (kabary)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Lazaina ampahibemaso: Hokabarina rahampitso ny fakana miaramila
Tenenina, bedibedena: Nokabariny lava ilay ankizy ka lasa fa tsy tamana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be discussed or announced publicly [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on proclame, à qui on intente un procès, qu'on admoneste: Hokabarina rahampitso ny fakana ny miaramila (Demain on proclamera la levée des soldats) ~ Aza kabarinao lava izy (Ne l'admonestez pas sans cesse) [1.3]
 Qu'on proclame, qu'on discute publiquement [1.8]
Ohatra 
1Feom-pifankatiavana tsy tiana ho ritra no amenoana ny valin-kabarina hoso-menaka. [2.245]
2Rehefa tonga ny fotoana dia kabarina amin' ny tsena rehetra ka lazaina ny fombafomba maro tsianononana hatao. [1.437]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : kabarina, kabariko, kabarinao, kabariny, kabarintsika, kabarinay, kabarinareo, kabarin', kabarin-, kabarim-, kabari-
Ny lasa : nokabarina, nokabariko, nokabarinao, nokabariny, nokabarintsika, nokabarinay, nokabarinareo, nokabarin', nokabarin-, nokabarim-, nokabari-
Ny hoavy : hokabarina, hokabariko, hokabarinao, hokabariny, hokabarintsika, hokabarinay, hokabarinareo, hokabarin', hokabarin-, hokabarim-, hokabari-
Filaza mandidy : kabario
Tsipelina hafa 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20