Teny iditra homboana (hombo)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Araikitra amin' ny hombo, tsimatra: Homboy ny hidin-trano
Fantsihana: Nohomboana tamin' ny hazofijaliana i Jesoa-Kristy
Asiana, alentika: Nohomboana tamin' ny teniny Ikotofatsora [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be nailed to something [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on attache avec des clous [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : homboana, homboako, homboanao, homboany, homboantsika, homboanay, homboanareo, homboan', homboan-, homboam-, homboa-
Ny lasa : nohomboana, nohomboako, nohomboanao, nohomboany, nohomboantsika, nohomboanay, nohomboanareo, nohomboan', nohomboan-, nohomboam-, nohomboa-
Ny hoavy : hohomboana, hohomboako, hohomboanao, hohomboany, hohomboantsika, hohomboanay, hohomboanareo, hohomboan', hohomboan-, hohomboam-, hohomboa-
Filaza mandidy : homboy

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20