Teny iditra fisoronana (sorona)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fanafenana na tsy filazana amin' ny olona izay kilema ananany, nefa tsy hitany, na izay zavatra hita fa tsy mety ataony, na mikasika azy izany na mikasika ny havany: Ny Ntaolo ihany dia efa nampitandrina antsika ny amin' ny fisoronam-bady ao an-trano [1.1]

Teny iditra fisoronana (sorona)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fikarakarana ny firehetan' ny afo amin' ny fandrosoana kitay ao am-patana: Nataon' ny Ntaolo ohatra ny fisoronana afon' Ikala adala: ny aloha tsy lany, hoy izy, nefa ny aoriana asesika ihany [1.1]
Fanazavàna teny frantsay L'action d'attiser le feu, l'instrument [1.3]
Ohatra Tsy manavao rahateo ny fisoronana afo koa dia misosa ho lelafo mivaivay ny ravim-pary maina atosi-tananasy rotsa-kazo. [2.470]

Teny iditra fisoronana (sorona)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Tambahoaka] [ fisoroñana ] Fivavahana, fanoloran-tsorona (toerana) [1.78]
 Fanaovana sorona:Fisoronana zanak'ondry no natao tamin'ny fetin'ny Paka tamin'ny Testamenta taloha. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay L'action d'offrir un sacrifice, l'autel, l'instrument, le lieu, le motif [1.3]
Ohatra 
1Dia ho azy ireo, amin' ny lalàna mandrakizay ny fisoronana; [2.996]
2Ny fombam-pivavahana sy ny fisoronana no ankalazainy indrindra [1.38]
Lahatsoratra 

Teny iditra fisoroñana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Tambahoaka] Tsangambaton-tsampy [1.78]

Teny iditra Fisoronana (sorona)
Sokajin-teny anaran-tsamirery (ara-baiboly) [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy (fanafohezana Fisor) na hoe Levitika = Izany no iantsoana azy, satria izy no mirakitra ny Lalàna mifehy ny fomban-pivavahana sy ny andraikitry ny mpisorona ary ny Levita [2.611]
Tovy hevitra Levitika ~ Levitikosy
Lahatsoratra 
Boky manontolo Baiboly iraizotra

Nohavaozina tamin' ny 2022/07/30