Teny iditra fieremana (erina)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Misy fidongiana sy fimonomononana mihitsy ity sady tsy mety ho afa-po hatrany [1.10]
 Araka ny voalazan' ny Baiboly dia heloka ny fieremana sy ny fitsiriritana. Ao amin' ny Didy Folo dia atao mitovy saranga amin' ny vonoana olona sy ny fijangajangana ary ny halatra izany ( Eks. 20. 13-17). Akana dia meloka tamin' izany, ka notoraham-bato ho faty ( Jos. 7. 16-26). Ao amin' ny Testamenta Vaovao dia atao iray laharana ny fijangajangana sy ny fieremana ( 1 Kor. 5. 11; 6. 9, 10; Kol 3. 5; Efes. 5. 3). Avy amin' ny fampianaran' i Jesosy Kristy ny fampiraisana ny filaharan' ny fieremana amin' ny filan' ny nofo ( Mar. 7. 21, 22). Araka ny fampianarana nataon' i Jesosy tamin' ny Apostoly dia mitovy ihany ny fanaram-po amin' ny filan' ny nofo sy ny fanampoana an' i Mamôna. Ny Fiangonana Kristiana dia tokony handinika tsara ny fampianaran' ny Baiboly ny amin' ny fieremana, araka izay hita ao amin' ny Jer. 22. 17 ; Mik. 2. 2 ; Lio. 12. 15 ; Rom. 7. 7 ; Efes. 5. 3). 1 Tim 6. 10 ; Heb. 13. 5, ets. Ny mpierina dia tsy mba handova ny fanjakan' Andriamanitra. [1.38]
Fanazavàna teny anglisy Covetousness [2.996]
Fanazavàna teny frantsay Cupidité [2.996]
Ohatra Izay mankahala ny fieremana no ho ela velona. [2.996]
Haiendriteny 
Tsotra : fieremana, fieremako, fieremanao, fieremany, fieremantsika, fieremanay, fieremanareo, fiereman', fiereman-, fieremam-, fierema-
Tovonana : -pieremana, -pieremako, -pieremanao, -pieremany, -pieremantsika, -pieremanay, -pieremanareo, -piereman', -piereman-, -pieremam-, -pierema-
Tsipelina hafa 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20