Teny iditra | baria | ||
Sokajin-teny | anarana | ||
Fanazavàna teny malagasy | Ombidia, ombimanga. Amin'ny Antakarana any Vohémar kosa, ny baria, na varia, dia vala, fahitra, ary ny omby ompiana ao am-bala na fahitra dia atao hoe "omby am-baria". Dia misy fitenenana hoe "Omby am-baria: sady lalao no harena" [1.10] | ||
Ohatra | Mitroatra ihany ny baria (omby) fa rehefa voakendan' ny mpitolona, mirehoka.
[2.587] | ||
Voambolana | Haibiby: mampinono | ||
Kamban-teny |
| ||
Teny iditra | baria | ||
Sokajin-teny | anarana | ||
Fanazavàna teny malagasy | Mpiasa amin'ny botry na sambo; matilò Mpikarama manao asa vaventy Mpiasa madinika ao an-trano [1.10] | ||
Fanazavàna teny frantsay | [Tankarana] Matelot [1.19] | ||
Voambolana | Fifamoivoizan-tsambo | ||
Tovy hevitra | baharia | ||
Fivaditsoratra | araby, baray, baria |
Nohavaozina tamin' ny 2023/12/31 |