Teny iditra atolotra (tolotra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Aroso omena amin' ny tanana: Atolory azy io boky io
Omena am-pahafoizana tanteraka, ary enti-milaza zavatra tsy hita maso Indrindra: Atolotro anao ny fahefana / Natolony azy ny fony [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be presented to someone [1.7]
Fanazavàna teny frantsay à offrir, ce qu'on offre [1.3]
 Qu'on présente à quelqu'un [1.8]
Ohatra 
1Dia atao ny an-doha ley volatsivaky, dia atolotra ny mpandray. [2.48]
2Na ny tanindrazana izay no misy faritra avela hilibany, na ny fahaleovantena no tsy maintsy ampandeferina eo anatrehany, na ny firaisam-pirenena no atolotra hopotehiny. [2.503]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : atolotra, atolotro, atolotrao, atolony, atolotsika, atolotray, atolotrareo, atolotr', atolo-, atolotry
Ny lasa : natolotra, natolotro, natolotrao, natolony, natolotsika, natolotray, natolotrareo, natolotr', natolo-, natolotry
Ny hoavy : hatolotra, hatolotro, hatolotrao, hatolony, hatolotsika, hatolotray, hatolotrareo, hatolotr', hatolo-, hatolotry
Filaza mandidy : atolory
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20