Teny iditra apitrapitra (pitrapitra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy (Maso) Entina mijery mangaihay na malahelohelo: Ny masony foana no napitrapitrany [1.1]
Fanazavàna teny frantsay à faire regarder tristement [1.3]
Ohatra 
1kosa ny maso no apitrapitra
ny nify no sokitsokirina
ary ny tany no tsotsofina
[2.131]
2Aza apitrapitra amin'alahelo ny masonareo hijery ny zavatra ilaozanareo [2.996]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : apitrapitra, apitrapitrako, apitrapitranao, apitrapitrany, apitrapitrantsika, apitrapitranay, apitrapitranareo, apitrapitran'
Ny lasa : napitrapitra, napitrapitrako, napitrapitranao, napitrapitrany, napitrapitrantsika, napitrapitranay, napitrapitranareo, napitrapitran'
Ny hoavy : hapitrapitra, hapitrapitrako, hapitrapitranao, hapitrapitrany, hapitrapitrantsika, hapitrapitranay, hapitrapitranareo, hapitrapitran'
Filaza mandidy : apitrapitrao

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20