Teny iditra apetraka (petraka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Omena toerana, atao eo amin' ny toerana iray: Apetraho eo akaikinao eo ity zanako itỳ ~ Napetrany teo an-joron-trano ny tehiny
Afindra amin' ny toerana iray: Napetraka tany Antomboka izy nony avy eo
Tendrena
Atao amin' ny tany: Apetraho izy fa vizana ianao
Omena mba hotahirizina, ankinina: Vola telo alina no napetrany tamiko talohan' ny handehanany
Alana, esorina, aongana: Napetraky ny Governemanta ilay mpanao raharaham-panjakana niasa tao
(vady) Alefa, roahina, isaorana: Napetrany ny vadiny fa ratsy toetra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Used of that which is put down or placed in a certain position. [1.2]
 To be set down, to be placed [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on met, qu'on place, qu'on confie [1.8]
Ohatra 
1Vola apetraka ahoana, ry Dada a? [2.470]
2Apetraka eo ambony salazana avy eo. [2.117]
3Ravina apetraka
apetraho
ravina alefitra
alefero
[2.131]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : apetraka, apetrako, apetrakao, apetrany, apetratsika, apetrakay, apetrakareo, apetrak', apetra-, apetraky
Ny lasa : napetraka, napetrako, napetrakao, napetrany, napetratsika, napetrakay, napetrakareo, napetrak', napetra-, napetraky
Ny hoavy : hapetraka, hapetrako, hapetrakao, hapetrany, hapetratsika, hapetrakay, hapetrakareo, hapetrak', hapetra-, hapetraky
Filaza mandidy : apetraho
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20