|
|
|
|

Teny iditra 1  ankamasinina
Fototeny  2 masina
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny iharana
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Anaovana fombam-pivavahana mba ho masina, hahazo hery, fahefana: Hamasino ireto fanatitra ireto, Zanahary ô!
9 Hajaina, tsaohina: Hohamasinina anie ny anaranao [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  10 Qu'on consacre, qu’on sanctifie, qu on bénit, qu'on adore, qu’on honore, sur quoi on s'appuie. [1.3#223]
Ohatra  11  Tsy misy izany, ry ise hoy ilay manamboninahitra, fa ny Andriana no mamy ary ny teniny no ankamasinina, ka ny mandeha tsy zoto, ary ny mijanona tsy laina, fa raharaha ifanomanana, ka izay mety sy ifanarahana no atao. [2.587#]
12  Noho izany, nadio fitondran-tena izy, tamin' ny namoahan-dRanavalona II ny Lalàna (Andininy faha-8) nandrara ny fampirafesana, sy ny Lalàna nanao ho andro ankamasinina ny andro alahady, tao an-tempoly, ho an' ny protestanta, tao am-piangonana, ho an' ny katolika. [2.270#]
Tovy hevitra  13 hamasinina

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22