|
|
|
|

Teny iditra 1  Andriamanitra-Andriananahary
Singan-teny  2 Andriamanitra, 3 Andriananahary
Sokajin-teny  4  anaran-tsamirery (olona) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  5 [Andriananahary] Matetika izy no nampiarahin' ny ntaolo amin' ny hoe Andriamanitra amin' ny vavaka sy ny firariana.
6 Raha mivavaka ho an' ny mpianakavy dia hoy izy :
7 "E ! Andriamanitra-Andriananahary ! E ! Ray razana ! Tonga eto izahay mianakavy, tahio andro, tahio alina ! ... ho soa anie, ho tsara ! " , ets.
8 Raha mivavaka ho an' ny zaza alam-bolo izy dia hoy izy :
9 "E ! Andriamanitra-Andriananahary ! Sambasamba, tsy harofy, tsy halailay ! " , ets.
10 Raha mirary ho an' ny mpiantafika izy dia manao hoe :
11 "E ! Andriamanitra-Andriananahary ! Tsy haratry ny an-tànan-tena anie izy any ! Tsy ho voan' ny an-tànan' olona, ho malama samborina, tsy voasingo-bahy, tsy ho voarangotr' avotra, mahereza basy aman-defona, mahavoria tany amam-panjakana ! " , ets.
12 Raha mivavaka ho an' ny olona anaovana sorona izy dia manao hoe :
13 "E ! Andriamanitra-Andriananahary ! Soronako ity ondry mazava loha ity Ra.... hieren-doza aman' antambo ! ". [1.10#A.120]

Nohavaozina tamin' ny 2026/11/01