Teny iditra andrasana (andry)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Tsy ilaozana: Andraso eto aho ambara-piveriko na amin' ny firy na amin' ny firy
Antenaina: Ianao no nandrasanay fa tsy Rangahy io
Ambenana: Aza matahotra fa efa andrasan' ny polisy ny venta lalana rehetra mety ho nitsoahan' ilay olondratsy
Tandremana tsy handositra na hanimba zavatr' olona: Omby iray monja no andrasan' Ibalita ka tsy hainy sakanana tsy hanimba volin' olona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be watched, to be waited for [1.2, 1.7]
 To be tended; to be expected. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on attend, qu'on garde, qu'on surveille [1.8]
Ohatra 
1Andrasana kely hahazo aina dia averina indray. [2.472]
2Andrasana handefa tsiry kosa ny fakany vao azo afindra. [2.117]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : andrasana, andrasako, andrasanao, andrasany, andrasantsika, andrasanay, andrasanareo, andrasan', andrasan-, andrasam-, andrasa-
Ny lasa : nandrasana, nandrasako, nandrasanao, nandrasany, nandrasantsika, nandrasanay, nandrasanareo, nandrasan', nandrasan-, nandrasam-, nandrasa-
Ny hoavy : handrasana, handrasako, handrasanao, handrasany, handrasantsika, handrasanay, handrasanareo, handrasan', handrasan-, handrasam-, handrasa-
Filaza mandidy : andraso
Tsipelina hafa 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/21