Teny iditra andafy (lafy)
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza toerana ampitan' ny rano na hady, izany hoe mifanandrify amin' ny misy ny tena fa elanelanin' ny rano na ny hady: Erỳ andafin' ny rano erỳ no misy anay. / Erỳ andafy atsimo no misy ny tsena
Mitovy firafitra amin' itỳ farany itỳ koa ny hoe any andafy izay ilazana ny tany any ampitan' ny ranomasina: Handeha hianatra any andafy izy raha avy taona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy (an-dafy) on the other side of, beyond, across. Commonly used for abroad, in another country. See lafy. [1.2]
 Across the seas, abroad ; on the other side of [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Outremer; au-delà de [1.8]
Ohatra 
1Nefa nihena niandalana ireo nony tonga ny lamba avy any andafy. [1.437]
2Niampita namely teny andafy andrefan' i Ste Marie koa ny Frantsay. [2.508]
3Fahatsiarovana ny miaramila iray maty tany Andafy no toa tena antony. [2.285]
4Tamin' ilay tanety lavabe andafy andrefan'iny no nivorian'ny vahoaka. [2.588]
Kamban-teny 

Teny iditra andafy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Taimoro] Vahiny, mpihavy [1.78]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/09