|
|
|
|

Teny iditra (1/4) 1  aloka
Sokajin-teny  2  anarana
Haiendriteny 
3  Tsotra :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  19 Faritra maizina ao ivohon' ny zavatra iray voataratry ny hazavana: Mipetrapetraha eo amin' ny alok' itỳ trano itỳ
20 Toerana voaro amin' ny hainandro: Erỳ no misy aloka hisakafoantsika [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  21 a shelter against sun or rain; a shade or shadow; a shed [1.2]
22 [Provincial] An umbrella, a parasol. See tandindona [1.2]
23 shelter; shade, shadow [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  24 abri; ombre [1.8]
25 image, ombre [1.13]
Ohatra  26  Tahaka ny mbola misy aloka manaraka azy ihany, na dia efa maty masoandro aza. [2.470#102]
27  Ny masoandro efa nadiva hihoatra, ary ny aloky ny bonga feno vato nirangaranga tao ambony andrefana nampangovitra ireto vehivavy. [2.324]
Fikambanana  28  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 14 misy ny teny how aloka
Ohabolana  29  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/4) 30  aloka
Sokajin-teny  31  anarana
Fanazavàna teny malagasy  32 [Betsileo] matoatoa [1.78]
33 Fahitana ny fanahy raha mbola velona izao ny vatana, amin' ny aloky ny tena tarafin' ny hazavana, samy hafa amin' ny tandindona. Voalazan' ny Ntaolo fa misy aloka intelo miantoana hita amin' izany: ny aloka mainty (ny vatana), ny aloka ambonin' ny mainty (ny ambiroa) ary ny aloka ambony indrindra (ny avelo) [1.1]

Teny iditra (3/4) 34  alòka
Fototeny  35 loka
Sokajin-teny  36  matoantenin' ny iharana
Haiendriteny 
37  Ny ankehitriny :
38  Ny lasa :
39  Ny hoavy :
40  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  41 Atao loka, enti-milaza izay ifanambazana: Vola sa zavatra àry no halòka [1.1]

Teny iditra (4/4) 42  aloka
Fototeny  43 loka
Sokajin-teny  44  matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy  45 Atsipy, atoraka, alefa [1.1]

Fivaditsoratra  46 akalo, alòka, aloka, 47 lakao, 48 laoka, 49 loaka, 50 olaka

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/06