<-
->

Zef / Sof 1:1 The word of the Lord which came unto Zephaniah the son of Cushi, the son of Gedaliah, the son of Amariah, the son of Hizkiah, in the days of Josiah the son of Amon, king of Judah. Ny tenin' i Jehovah, izay tonga tamin' i Zefania, zanak' i Kosy, zanak' i Gedalia, zanak' i Amaria, zanak' i Hezekia, tamin' ny andro nanjakan' i Josia, zanak' i Amona, mpanjakan' ny Joda. Ny tenin' ny Tompo izay natao tamin' i Sofonia, zanak' i Kosì, zanak' i Godoliasa, zanak' i Amariasa, zanak' i Ezekiasa, tamin' ny andron' i Josiasa, zanak' i Amona, mpanjakan' i Jodà. Parole de Yahvé qui fut adressée à Sophonie, fils de Kushi, fils de Gedalya, fils d' Amarya, fils de Hizqiyya, au temps de Josias, fils d' Ammon, roi de Juda.
Zef / Sof 1:2 I will utterly consume all things from off the land, saith the Lord. Hakifako tokoa ny zavatra rehetra tsy ho eny ambonin' ny tany, hoy Jehovah; Hesoriko eo ambonin' ny tany ny zavatra rehetra, - teny marin' ny Tompo; Oui, je vais tout supprimer de la face de la terre, oracle de Yahvé.
Zef / Sof 1:3 I will consume man and beast; I will consume the fowls of the heaven, and the fishes of the sea, and the stumbling blocks with the wicked: and I will cut off man from off the land, saith the Lord. Eny, hakifako ny olona sy ny biby; Hakifako ny vorona eny amin' ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina. Ary ny zavatra mahatafintohina mbamin' ny ratsy fanahy, Haringako tsy ho amin' ny tany ny olona, hoy Jehovah. Hesoriko ny olombelona sy ny biby; hesoriko ny voromanidina sy ny hazan-dranomasina, ary ny fanafintohinana mbamin' ny ratsy fanahy; ka haringako eo ambonin' ny tany ny olombelona, - teny marin' ny Tompo. Je supprimerai hommes et bêtes, je supprimerai oiseaux du ciel et poissons de la mer, je ferai trébucher les méchants, je retrancherai les hommes de la face de la terre, oracle de Yahvé.
Zef / Sof 1:4 I will also stretch out mine hand upon Judah, and upon all the inhabitants of Jerusalem; and I will cut off the remnant of Baal from this place, and the name of the Chemarims with the priests; Ary hahinjitro ny tanako hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; Dia haringako tsy ho eo amin' ity tany ity ny sisa amin' i Bala, Sy ny anaran' ny mpisorona amin' ny andriamani-tsi-izy mbamin' ny tena mpisorona, Dia haninji-tànana hamely an' i Jodà aho, sy hamely ny mponina rehetra ao Jerosalema, ary haringako amin' ity fitoerana ity ny sisan' i Baala, ny anaran' ny mpandraharahany miaraka amin' ny mpisorona. Je vais lever la main contre Juda et contre tous les habitants de Jérusalem, et je retrancherai de ce lieu le reste de Baal et le nom de ses desservants,
Zef / Sof 1:5 And them that worship the host of heaven upon the housetops; and them that worship and that swear by the Lord, and that swear by Malcham; Sy izay mivavaka any an-tampon-trano amin' izay eny amin' ny lanitra,Ary izay miankohoka sy mianiana ho an' i Jehovah Sady mianiana amin' i Malkama, Ireo miankohoka eny ambonin' ny tafon-trano, eo anatrehan' ny tafiky ny lanitra; sy ireo miankohoka manao fianianana amin' ny Tompo, sady mianiana amin' ny mpanjakany; ceux qui se prosternent sur les toits devant l' armée des cieux, ceux qui se prosternent devant Yahvé et qui jurent par Milkom,
Zef / Sof 1:6 And them that are turned back from the Lord; and those that have not sought the Lord, nor enquired for him. Ary izay nihemotra niala tamin' i Jehovah, Sy izay tsy nitady an' i Jehovah na nanontany taminy. sy ireo mihataka miala amin' ny Tompo, izay tsy mitady an' ny Tompo, ary manan-draharaha aminy akory. ceux qui se détournent de Yahvé, qui ne consultent pas Yahvé et ne le cherchent pas.
Zef / Sof 1:7 Hold thy peace at the presence of the Lord GOD: for the day of the Lord is at hand: for the Lord hath prepared a sacrifice, he hath bid his guests. Mangina eo anatrehan' i Jehovah Tompo! Fa efa antomotra ny andron' i Jehovah; Fa Jehovah efa niomana hamono zavatra hatao fanatitra Ka efa nanamasina ny olona nasainy. Mangìna eo anatrehan' ny Tompo Iaveh, fa efa akaiky ny andron' ny Tompo, satria efa nanomana sorona Iaveh, efa nanamasina ny olo-nasainy izy. Silence devant le Seigneur Yahvé, car le jour de Yahvé est proche! Oui, Yahvé a préparé un sacrifice, il a consacré ses invités.
Zef / Sof 1:8 And it shall come to pass in the day of the Lord' s sacrifice, that I will punish the princes, and the king' s children, and all such as are clothed with strange apparel. Ary raha mby amin' ny andro hamonoan' i Jehovah zavatra hatao fanatitra, Dia hovaliako ny lehibe sy ny zanak' andriana Mbamin' izay rehetra mitafy ny fitafin' ny firenena hafa. Ary izao no hitranga: Amin' ny andron' ny soron' ny Tompo hofaiziko ny mpanapaka sy ny zanak' andriana, mbamin' izay rehetra manao fitafian' ny hafa firenena. Il arrivera, au jour du sacrifice de Yahvé, que je visiterai les ministres, les princes royaux et tous ceux qui revêtent des vêtements étrangers.
Zef / Sof 1:9 In the same day also will I punish all those that leap on the threshold, which fill their masters' houses with violence and deceit. Ary amin' izany andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, Dia ireo mameno loza sy fitaka ny tranon' ny tompony. Hofaiziko avokoa amin' izany andro izany, izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, ka nameno fahasiahana amam-pitaka ny tranon' ny tompony. Je visiterai en ce jour tous ceux qui montent au Degré, eux qui remplissent le palais de leur seigneur de violence et de fraude.
Zef / Sof 1:10 And it shall come to pass in that day, saith the Lord, that there shall be the noise of a cry from the fish gate, and an howling from the second, and a great crashing from the hills. Ary amin' izany andro izany, hoy Jehovah, Dia hisy feo re mitaraina any am-bavahadin-kazandrano, Sy fidradradradrana ao amin' ny tanàna ambany, Ary fidarabohana miezinezina any amin' ny havoana. Amin' izany andro izany dia izao no hatao, - teny marin' ny Tompo: Hisy antsoantso hitatatata avy ao am-bavahadin' ny hazandrano; hisy fitarainana, avy ao an-tanàna faharoa; ary hisy kotrokotroka be avy amin' ny havoana. Ce jour-là - oracle de Yahvé - une clameur s'élèvera de la porte des Poissons, de la ville neuve, des hurlements, des hauteurs, un grand fracas!
Zef / Sof 1:11 Howl, ye inhabitants of Maktesh, for all the merchant people are cut down; all they that bear silver are cut off. Midradradradrà, ianareo mponina ao Maktesy; Fa ringana avokoa ny mpandranto rehetra, Eny, lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy. Midradradradrà, ry mponina ao amin' ny Feta, fa ringana avokoa ny vahoaka kananeana, levona avokoa izay rehetra mivesatra vola. Hurlez, habitants du Mortier, car tout le peuple de Canaan est anéanti, tous les peseurs d' argent sont retranchés.
Zef / Sof 1:12 And it shall come to pass at that time, that I will search Jerusalem with candles, and punish the men that are settled on their lees: that say in their heart, The Lord will not do good, neither will he do evil. Ary amin' izany andro izany dia hotsiloviko amin' ny jiro Jerosalema, Ka hovaliako ny olona izay efa lefy ao amin' ny faikany, Dia izay manao anakampo hoe: Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy. Izao no hatao amin' izany andro izany: Hokarohako amin' ny fanala Jerosalema, ka hofaiziko ny olona mandry mifetaka amin' ny faikany, izay manao anakampo hoe: Tsy manisy soa, tsy manisy ratsy Iaveh! En ce temps-là, je fouillerai Jérusalem aux flambeaux, je visiterai les hommes qui croupissent sur leur lie, ceux qui disent dans leur coeur : " Yahvé ne peut faire ni bien ni mal. "
Zef / Sof 1:13 Therefore their goods shall become a booty, and their houses a desolation: they shall also build houses, but not inhabit them; and they shall plant vineyards, but not drink the wine thereof. Ka dia ho tonga babo ny fananan' ireny, Ary ho lao ny tranony; Dia hanao trano izy, nefa tsy hitoetra ao, Hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy. Hatolotra hobaboina, ny fananany, ary hatolotra horavana ny tranony; hanao trano izy, fa tsy hitoetra ao; hamboly voaloboka izy, fa tsy hisotro divay avy amin' izany. Alors, leur richesse sera livrée au pillage, leurs maisons à la dévastation; ils ont bâti des maisons et ne les habiteront pas; ils ont planté des vignes et n' en boiront pas le vin.
Zef / Sof 1:14 The great day of the Lord is near, it is near, and hasteth greatly, even the voice of the day of the Lord: the mighty man shall cry there bitterly. Efa antomotra ny andro lehiben' i Jehovah; Eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra, Injay! feon' ny andron' i Jehovah! Ny lehilahy mahery dia mitomany mafy any. Efa akaiky ny andro lehiben' ny Tompo, efa akaiky izy sady tamy haingana dia haingana! Injay migadona ny andron' ny Tompo! Ho velon-taraina mangidy amin' izay ny olo-mahery fo. Il est proche, le jour de Yahvé, formidable! Il est proche, il vient en toute hâte! O clameur amère du jour de Yahvé : c' est maintenant un preux qui pousse le cri de guerre!
Zef / Sof 1:15 That day is a day of wrath, a day of trouble and distress, a day of wasteness and desolation, a day of darkness and gloominess, a day of clouds and thick darkness, Andro fahatezerana izany andro izany, Andro fahoriana sy fahalahelovana, Andro fandravana sy fanafoanana, Andro maizina sy manjombona, Andro mandrahona sy maizim-pito. Fa izany andro izany, dia androm-pahatezerana, androm-pahoriana amam-tebiteby, andro fahalahelovana amam-pandravana, androm-pahamaizinana sy fanjombonana, andro mandrahona sady manjavona mainty, Jour de fureur, ce jour-là! jour de détresse et de tribulation, jour de désolation et de dévastation, jour d' obscurité et de sombres nuages, jour de nuées et de ténèbres,
Zef / Sof 1:16 A day of the trumpet and alarm against the fenced cities, and against the high towers. Andro fahaveloman' ny anjomara sy ny akora, Hamelezana ny tanàna mimanda sy ny tilikambo avo eny amin' ny zorony. andron' ny trompetra sy ny fanairana, eo ambonin' ny tanàna mimanda, mbamin' ny nongonongona avo amin' ny manda. jour de sonneries de cor et de cris de guerre contre les villes fortes et les hautes tours d' angle.
Zef / Sof 1:17 And I will bring distress upon men, that they shall walk like blind men, because they have sinned against the Lord: and their blood shall be poured out as dust, and their flesh as the dung. Ary hampahory ny olona Aho, Handehanany toy ny jamba, Satria efa nanota tamin' i Jehovah izy; Ny ràny dia haidina toy ny vovoka, Ary ny nofony ho toy ny zezika. Halatsako am-pahoriana ny olona, ka hiraparapa toy ny jamba, satria nanota tamin' ny Tompo izy. Hararaka toy ny vovoka ny rany, ary toy ny zezika ny nofony. Je livrerai les hommes à la détresse et ils iront comme des aveugles parce qu' ils ont péché contre Yahvé ; leur sang sera répandu comme de la poussière, leurs cadavres jetés comme des ordures.
Zef / Sof 1:18 Neither their silver nor their gold shall be able to deliver them in the day of the Lord' s wrath; but the whole land shall be devoured by the fire of his jealousy: for he shall make even a speedy riddance of all them that dwell in the land. Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin' ny andro fahatezeran' i Jehovah, Fa holevonin' ny afon' ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin' ny mponina amin' ny tany. Tsy hisy hahavonjy azy na ny volafotsiny na ny volamenany, amin' ny andron' ny fisafoahan' ny Tompo; holevonin' ny fahasarotam-piarony avokoa ny tany; fa hataony rava tsy misy miangana, ataony fototra tampoka, ny mponina rehetra amin' ny tany. Ni leur argent, ni leur or ne pourront les sauver. Au jour de la colère de Yahvé, au feu de sa jalousie, toute la terre sera dévorée. Car il va détruire, oui, exterminer tous les habitants de la terre.

<-
->