<-
->

Hab 1:1 The burden which Habakkuk the prophet did see. Faminaniana ny loza hanjo, izay hitan' i Habakoka mpaminany. Teny fitsarana izay nahazoan' i Habakòka mpaminany fahitana. L' oracle que reçut en vision Habaquq le prophète.
Hab 1:2 O Lord, how long shall I cry, and thou wilt not hear! even cry out unto thee of violence, and thou wilt not save! Jehovah ô, indrisy ny hahelan' ny efa nitarainako, Nefa tsy nohenoinao! Mitaraina aho hoe: Loza! Nefa tsy vonjenao ihany. Iaveh ô, mandra-pahoviana no hiantsoako anao, nefa tsy mihaino ahy ihany hianao, ary hitaraina aminao aho hoe: fahasiahana! nefa tsy vonjenao ihany aho? Jusques à quand, Yahvé, appellerai-je au secours sans que tu écoutes, crierai-je vers toi : " A la violence! " sans que tu sauves ?
Hab 1:3 Why dost thou shew me iniquity, and cause me to behold grievance? for spoiling and violence are before me: and there are that raise up strife and contention. Nahoana no ataonao mahita faharatsiana aho. Ary mijery fahoriana Hianao? Fa fandravana sy loza no eo anatrehako, Ary misy ady, sady miseho ny fifandirana. Nahoana aho no ataonao mahita ny tsy fahamarinana ary hianao mijery ny fahoriana? Fa fandravana amam-pahasiahana no eo anatrehako; misy fifandirana ary mitranga ny tsy fifanarahana, Pourquoi me fais-tu voir l' iniquité et regardes-tu l' oppression ? Je ne vois que rapine et violence, c' est la dispute, et la discorde sévit!
Hab 1:4 Therefore the law is slacked, and judgment doth never go forth: for the wicked doth compass about the righteous; therefore wrong judgment proceedeth. Koa noho izany dia ngoly ny lalàna, Ary tsy mivoaka ny rariny; Fa irohonan' ny ratsy fanahy ny marina, Ka izany no ivoahan' ny fitsarana miangatra . noho izany maty ny lalàna, ary tsy mahita mangirana ny fahamarinana; fa solokin' ny ratsy fanahy ny marina, ka rariny mivaona no mivoaka. Aussi la loi se meurt, plus jamais le droit ne paraît! Oui, l' impie traque le juste, aussi ne paraît plus qu' un droit fléchi!
Hab 1:5 Behold ye among the heathen, and regard, and wonder marvelously: for I will work a work in your days which ye will not believe, though it be told you. Jereo any amin' ny jentilisa, ka diniho, ary gagà dia gagà; Fa manao zavatra amin' ny andronareo Aho, Izay tsy hinoanareo, na dia holazaina aminareo aza. Topazo maso ireo firenena ka zahao; dia migagà sy mitalanjòna. Fa indro aho amin' ny andronareo hanao zavatra, izay tsy hinoanareo raha olona no mitantara aminareo. Regardez parmi les peuples, voyez, soyez stupides et stupéfaits! Car j' accomplis de vos jours une oeuvre que vous ne croiriez pas si on la racontait.
Hab 1:6 For, lo, I raise up the Chaldeans, that bitter and hasty nation, which shall march through the breadth of the land, to possess the dwellingplaces that are not their' s. Fa, indro, atsangako ny Kaldeana, Dia ilay firenena masiaka sady mirehidrehitra, Izay mamaky eran' ny tany Hahazoany fonenana izay tsy azy. Satria indro aho hamoky ny Kaldeana, firenena masiaka sy mirehidrehitra, izay mandroso ho any amin' ireo tany midadasika be mba haka fonenana izay tsy azy. Oui! voici que je suscite les Chaldéens, ce peuple farouche et fougueux, celui qui parcourt de vastes étendues de pays pour s' emparer des demeures d' autrui.
Hab 1:7 They are terrible and dreadful: their judgment and their dignity shall proceed of themselves. Mahatsiravina sy mahatahotra izy; Avy amin' ny tenany ihany ny fitsarany sy ny fahalehibiazany. Mahatsiravina sy mahatahotra izy; ary avy amin' ny tenany ihany ny fahefany amam-pahalehibeazany. Il est terrible et redoutable, sa force fait son droit, sa grandeur!
Hab 1:8 Their horses also are swifter than the leopards, and are more fierce than the evening wolves: and their horsemen shall spread themselves, and their horsemen shall come from far; they shall fly as the eagle that hasteth to eat. Faingana noho ny leoparda ny soavaliny Sady masiaka noho ny amboadia hariva; Ny mpitaingin-tsoavaliny mampiriotra, eny, ny mpitaingin-tsoavaliny dia avy lavitra; Miezaka toy ny voromahery maika hihinana izy. Mailaka noho ny leoparda ny soavaliny, sady liana noho ny amboadia amin' ny hariva. Mampiriotra ny mpitaingin-tsoavaliny; avy lavitra ny mpitaingin-tsoavaliny, manidina toy ny voromahery lian-te-hihinana. Ses chevaux sont plus rapides que panthères, plus mordants que loups du soir; ses cavaliers bondissent, ses cavaliers arrivent de loin, ils volent comme l' aigle qui fond pour dévorer.
Hab 1:9 They shall come all for violence: their faces shall sup up as the east wind, and they shall gather the captivity as the sand. Hampidi-doza no ihavian' izy rehetra; Ny handroso ihany no atrehiny fatratra, Ka manangona sambotra toy ny fasika izy. Tonga mba hanao hasiahana avokoa izany firenena izany; ny masony feno halianana mijery any alohany any; manangona babo toy ny fasika izy. Tous arrivent pour le pillage, la face ardente comme un vent d' est; ils ramassent les captifs comme du sable!
Hab 1:10 And they shall scoff at the kings, and the princes shall be a scorn unto them: they shall deride every strong hold; for they shall heap dust, and take it. Izy manakora ny mpanjaka, Ary ihomehezany ny mpanapaka; Ny tanàna mimanda rehetra dia ihomehezany, Ka dia manandratra tovon-tany izy ka mahafata azy. Izay io dia mihomehy izay mpanjaka, mihanihany izay mpanapaka; ny trano mimanda rehetra ihomehezany, vovo-tany no asavovony dia afany ireny. Ce peuple se moque des rois, il tourne les princes en dérision. Il se rit de toutes forteresses : il entasse de la terre et les prend!
Hab 1:11 Then shall his mind change, and he shall pass over, and offend, imputing this his power unto his god. Dia mihelina toy ny rivotra izy Ary mandroso ka mahazo heloka. Izany heriny izany no andriamaniny! Dia mandroso ny tafio-drivotra ka mihoatra, ary izy mahazo heloka; ny herin' ny tenany dia izay no andriamaniny! Puis le vent a tourné et s' en est allé... Criminel qui fait de sa force son Dieu! les exactions de l' oppresseur.
Hab 1:12 Art thou not from everlasting, O Lord my God, mine Holy One? we shall not die. O Lord, thou hast ordained them for judgment; and, O mighty God, thou hast established them for correction. Tsy hatrizay hatrizay va Hianao, Jehovah Andriamanitro, Iray Masiko? Tsy ho faty izahay; Ry Jehovah ô, ho famaizana no nanendrenao ireny, Ry Vatolampy ô, fananarana no nanangananao azy Moa tsy hatramin' ny fiandohana va hianao, ry Iaveh, Andriamanitro, ilay masiko? Tsy ho faty izahay. Iaveh ô, ny nanorenanao izany vahoaka izany dia hahatanteraka ny rariny, ny mba hamay no nanaovanao mafy orina azy, ry Vatolampiko. Dès les temps lointains n' es-tu pas Yahvé, mon Dieu, mon Saint, qui ne meurs pas ? Tu l' avais établi, Yahvé, pour exercer le droit, tel un rocher, pour châtier, tu l' avais affermi!
Hab 1:13 Thou art of purer eyes than to behold evil, and canst not look on iniquity: wherefore lookest thou upon them that deal treacherously, and holdest thy tongue when the wicked devoureth the man that is more righteous than he? Hianao, Izay madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy Ary tsy mahajery fahoriana, Nahoana Hianao no mijery izay mamitaka Ary mangina, raha ny ratsy fanahy mandrapaka ny marina noho izy, Ny masonao madio loatra, tsy hahajery ny ratsy; ary hianao tsy mety mibanjina ny fahoriana. Ka nahoana no hojerenao fotsiny ireo mpamitaka ; ary hangina hianao, raha mihinana ny marina noho izy, ny ratsy fanahy ? Tes yeux sont trop purs pour voir le mal, tu ne peux regarder l' oppression. Pourquoi regardes-tu les gens perfides, gardes-tu le silence quand l' impie engloutit un plus juste que lui ?
Hab 1:14 And makest men as the fishes of the sea, as the creeping things, that have no ruler over them? Ary manao ny olona ho toy ny hazandrano any an-dranomasina, Sy ho toy ny biby mandady sy mikisaka, izay tsy mana-mpanapaka? Hataonao toy ny hazan-dranomasina va ny olombelona, sy toy ny biby mandady tsy manan-dehibe?... Tu traites les humains comme les poissons de la mer, comme la gent qui frétille, sans maître!
Hab 1:15 They take up all of them with the angle, they catch them in their net, and gather them in their drag: therefore they rejoice and are glad. Aingainy amin' ny fintana izy rehetra, Samboriny amin' ny haratony Ary sarihany amin' ny harato tarihiny; Ka dia faly sy ravoravo izy. Fa alainy amin' ny fintana izany rehetra izany, sy sarihany amin' ny haratony, ary angoniny amin' ny harato tarihina, ka dia mifaly sy mientan-karavoana izy. Il les prend tous à l' hameçon, les tire avec son filet, il les ramasse avec son épervier, et le voilà dans la joie, dans l' allégresse!
Hab 1:16 Therefore they sacrifice unto their net, and burn incense unto their drag; because by them their portion is fat, and their meat plenteous. Koa izany no amonoany zavatra hatao fanatitra ho an' ny haratony sy andoroany ditin-kazo manitra ho an' ny harato tarihiny; Fa ireo no ahazoany hanina matsiro sy anjara matavy. Ka noho izany, izy manao sorona ho an' ny haratony, sy manatitra emboka manitra ho an' ny harato tarihiny; satria ireo no ahazoany anjara hanina matavy sy sakafo matsiro. Aussi sacrifie-t-il à son filet, fait-il fumer des offrandes devant son épervier, car ils lui procurent de grasses portions et des mets plantureux.
Hab 1:17 Shall they therefore empty their net, and not spare continually to slay the nations? Koa noho izany dia hanaisotra ny ao amin' ny tandrohony va izy Ary hamono firenena mandrakariva ka tsy hiantra? Hitohy mandrakariva va ny fandoarany ny ao amin' ny haratony, sy ny famonoany, tsy ananany antra, ny firenena? Videra-t-il donc sans trêve son filet massacrant les peuples sans pitié ? Le juste vivra par sa fidélité.

<-
->