<-
->

Isa / Iz 1:1 The vision of Isaiah the son of Amoz, which he saw concerning Judah and Jerusalem in the days of Uzziah, Jotham, Ahaz, and Hezekiah, kings of Judah. Ny fahitan' Isaia, zanak' i Amoza, izay hitany ny amin' ny Joda sy Jerosalema tamin' ny andron' i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, izay samy mpanjakan' ny Joda. Fahitan' Izaia, zanak' i Amosa, momba an' i Jodà sy Jerosalema, izay hitany tamin' ny andron' i Oziasa, Joatama, Akaza ary Ezekiasa, mpanjakan' i Jodà. Vision d' Isaïe, fils d' Amoç, qu' il reçut au sujet de Juda et de Jérusalem, au temps d' Ozias, de Yotam, d' Achaz et d'Ézéchias, rois de Juda.
Isa / Iz 1:2 Hear, O heavens, and give ear, O earth: for the Lord hath spoken, I have nourished and brought up children, and they have rebelled against me. Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo. Mihainoa, ry lanitra, ary hianao ry tany, mitongilàna sofina, fa miteny Iaveh: Efa namelon-jaza aho, ary efa nanabe ireny, kanjo izy ireo niodina tamiko. Cieux écoutez, terre prête l' oreille, car Yahvé parle. J' ai élevé des enfants, je les ai fait grandir, mais ils se sont révoltés contre moi.
Isa / Iz 1:3 The ox knoweth his owner, and the ass his master' s crib: but Israel doth not know, my people doth not consider. Ny omby mahalala ny tompony, Ary ny boriky ny fihinanam-bilon' ny tompony; Fa ny Isiraely tsy mahalala, Ny oloko tsy misaina. Ny omby mahalala ny tompony; ary ny ampondra, ny fihinanam-bilon' ny tompony; fa Israely kosa tsy manam-pahalalana, ny vahoakako tsy mba manan-tsaina. Le boeuf connaît son possesseur, et l'âne la crèche de son maître, Israël ne connaît pas, mon peuple ne comprend pas.
Isa / Iz 1:4 Ah sinful nation, a people laden with iniquity, a seed of evildoers, children that are corrupters: they have forsaken the Lord, they have provoked the Holy One of Israel unto anger, they are gone away backward. Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an' i Jehovah izy, Efa nanamavo ny Iray Masin' ny Isiraely. Efa nihodina izy. Adray! ry ilay firenena mpanota, vahoaka mavesa-keloka, tarana-dratsy, zana-meloka! Nandao an' ny Tompo izy ireo, naniratsira an' Ilay Masin' Israely, nihataka nihemotra. Malheur! nation pécheresse! peuple coupable! race de malfaiteurs, fils pervertis! Ils ont abandonné Yahvé, ils ont méprisé le Saint d' Israël, ils se sont détournés de lui.
Isa / Iz 1:5 Why should ye be stricken any more? ye will revolt more and more: the whole head is sick, and the whole heart faint. Nahoana no mbola ta-hasiana ihany ianareo noho izao fiodinanareo lalandava izao? Henika aretina avokoa ny loha rehetra, Ary marary ny fo rehetra. Aiza indray no hasiana aminareo, raha mitohy ny fiodinanareo? ny loha manontolo marary, ary ny fo manontolo mavozovozo. Où frapper encore, si vous persévérez dans la trahison ? Toute la tête est mal-en-point, tout le coeur est malade,
Isa / Iz 1:6 From the sole of the foot even unto the head there is no soundness in it; but wounds, and bruises, and putrifying sores: they have not been closed, neither bound up, neither mollified with ointment. Hatramin' ny faladia ka hatramin' ny loha dia tsy misy izay tsy marary, Fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao; Tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin' ny diloilo izy. Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha, tsy misy salama na dia kely aza, ao aminy: Tsy misy afa-tsy ratra, dian-kapoka, fery mangirifiry, tsy voasasa, na voabandy, na voalemin-diloilo akory. de la plante des pieds à la tête, il ne reste rien de sain. Ce n' est que blessures, contusions, plaies ouvertes, qui ne sont pas pansées ni bandées, ni soignées avec de l' huile.
Isa / Iz 1:7 Your country is desolate, your cities are burned with fire: your land, strangers devour it in your presence, and it is desolate, as overthrown by strangers. Ny taninareo dia efa lao; Ny tanànanareo dia voadotra tamin' ny afo; Ny tany volenareo dia lanin' ny fahavalo eo imasonareo, ary lao izy toy ny efa noravan' ny fahavalo. Ny taninareo, lao; ny tanànanareo levon' ny afo. Ny taninareo levonin' ny hafa eo imasonareo; hoatra ny fandravan' ny olon-kafa firenena no fahasimbany. Votre pays est une désolation, vos villes sont la proie du feu, votre sol, sous vos yeux des étrangers le ravagent, c' est la désolation comme une dévastation d'étrangers.
Isa / Iz 1:8 And the daughter of Zion is left as a cottage in a vineyard, as a lodge in a garden of cucumbers, as a besieged city. Ary Ziona zanakavavy dia nilaozana tahaka ny trano rantsan-kazo ao anaty tanim-boaloboka, Sy tahaka ny fandriana mihantona an' ny mpiandry voly ao anaty tanimbolim-boantango, Dia tahaka ny tanàna atao fahirano. Ary ny zanakavavin' i Siona dia tafajanona toy ny trano bongo anaty tanim-boaloboka, toy ny tranotomboka, anaty tanim-boatango, toy ny tilikambo fiambenana. Elle est restée, la fille de Sion, comme une hutte dans une vigne, comme un abri dans un champ de concombres, comme une ville assiégée.
Isa / Iz 1:9 Except the Lord of hosts had left unto us a very small remnant, we should have been as Sodom, and we should have been like unto Gomorrah. Raha tsy nosisan' i Jehovah. Tompon' ny maro, olona vitsivitsy isika, Dia efa tonga tahaka an' i Sodoma Ary nitovy tamin' i Gomora. Raha tsy namelan' ny Tompon' ny tafika ambiny kely sisa isika, dia ho sahala amin' i Sodoma, hanahaka an' i Gomora. Si Yahvé Sabaot ne nous avait laissé quelques rares survivants, nous serions comme Sodome, nous ressemblerions à Gomorrhe.
Isa / Iz 1:10 Hear the word of the Lord, ye rulers of Sodom; give ear unto the law of our God, ye people of Gomorrah. Mandrenesa ny tenin' i Jehovah, ry mpitsaran' i Sodoma; Mihainoa ny lalàn' Andriamanitsika, ry vahoakan' i Gomora. Mihainoa ny tenin' ny Tompo, ry mpitsaran' i Sodoma; mitongilàna sofina amin' ny lalàn' Andriamanitsika, ry vahoakan' i Gomora. Écoutez la parole de Yahvé, chefs de Sodome, prêtez l' oreille à l' enseignement de notre Dieu, peuple de Gomorrhe!
Isa / Iz 1:11 To what purpose is the multitude of your sacrifices unto me? saith the Lord: I am full of the burnt offerings of rams, and the fat of fed beasts; and I delight not in the blood of bullocks, or of lambs, or of he goats. Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran' ny zanak' omby mifahy Aho, Ary tsy sitrako ny ran' ny vantotr' ombilahy sy ny an' ny zanak' ondry ary ny an' ny osilahy. Mampaninona ahy izay habetsahan' ny soronareo? hoy Iaveh. Efa tofoky ny ondralahy atao sorona dorana aho, mbamin' ny saboran-janak' omby. Tsy sitrako ny ran' ombalahy, mbamin' ny ondry aman' osy. Que m' importent vos innombrables sacrifices, dit Yahvé. Je suis rassasié des holocaustes de béliers et de la graisse des veaux; au sang des taureaux, des agneaux et des boucs, je ne prends pas plaisir.
Isa / Iz 1:12 When ye come to appear before me, who hath required this at your hand, to tread my courts? Raha avy miseho eo anatrehako ianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako? Raha tonga hiseho eo anatrehako hianareo, zovy moa no nitady anareo, handia izay kianjako akory? Quand vous venez vous présenter devant moi, qui vous a demandé de fouler mes parvis ?
Isa / Iz 1:13 Bring no more vain oblations; incense is an abomination unto me; the new moons and sabbaths, the calling of assemblies, I cannot away with; it is iniquity, even the solemn meeting. Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana! Atsaharo ny mitondra fanati-poana ho ahy; fahavetavetana amiko ny emboka; raha ny amin' ny voaloham-bolana, sabata, fiantsoam-piangonana, dia tsy zakako hankasitrahana ny heloka sy ny fivoriana miaraka ampahibemaso. N' apportez plus d' oblation vaine : c' est pour moi une fumée insupportable! Néoménie, sabbat, assemblée, je ne supporte pas fausseté et solennité.
Isa / Iz 1:14 Your new moons and your appointed feasts my soul hateth: they are a trouble unto me; I am weary to bear them. Ny voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia halan' ny fanahiko, Mavesatra amiko izany, Ka sasatra mitondra azy Aho. Halan' ny foko ny voaloham-bolana amam-petinareo; mavesatra amiko ireny, sasatry ny mandefitra izany aho. Vos néoménies, vos réunions, mon âme les hait; elles me sont un fardeau que je suis las de porter.
Isa / Iz 1:15 And when ye spread forth your hands, I will hide mine eyes from you: yea, when ye make many prayers, I will not hear: your hands are full of blood. Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran' olona ny tananareo. Raha manandratra ny tànanareo hianareo, misarona maso eo anoloanareo aho; raha mampitombo ny fivavahana hianareo, tsy mihaino akory aho: Feno ra ny tànanareo. Quand vous étendez les mains, je détourne les yeux; vous avez beau multiplier les prières, moi je n'écoute pas. Vos mains sont pleines de sang :
Isa / Iz 1:16 Wash you, make you clean; put away the evil of your doings from before mine eyes; cease to do evil; Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, Esory tsy ho eo anoloan' ny masoko ny ratsy fanaonareo; Mitsahara, fa aza manao ratsy; Misasà hianareo, midiova hianareo, esory ny haratsian' ny asanareo, hiala eo imasoko; mitsahara tsy hanao ratsy, lavez-vous, purifiez-vous! Otez de ma vue vos actions perverses! Cessez de faire le mal,
Isa / Iz 1:17 Learn to do well; seek judgment, relieve the oppressed, judge the fatherless, plead for the widow. Mianara hanao ny tsara, Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, Omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin' ny mpitondratena. mianara hanao soa; katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena. apprenez à faire le bien! Recherchez le droit, redressez le violent! Faites droit à l' orphelin, plaidez pour la veuve!
Isa / Iz 1:18 Come now, and let us reason together, saith the Lord: though your sins be as scarlet, they shall be as white as snow; though they be red like crimson, they shall be as wool. Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon' ondry fotsy. Avia, hiara-mifandahatra isika; Na mangatrakatraka aza ny fahotanareo, hanjary fotsy hoatra ny oram-panala; na mena hoatra ny jaky aza izy, ho tonga toy ny volon' ondry. Allons! Discutons! dit Yahvé. Quand vos péchés seraient comme l'écarlate, comme neige ils blanchiront; quand ils seraient rouges comme la pourpre, comme laine ils deviendront.
Isa / Iz 1:19 If ye be willing and obedient, ye shall eat the good of the land: Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin' ny tany; Raha manaiky amin' ny fo mazoto hianareo, dia hihinana ny zava-tsoan' ny taninareo. Si vous voulez bien obéir, vous mangerez les produits du terroir.
Isa / Iz 1:20 But if ye refuse and rebel, ye shall be devoured with the sword: for the mouth of the Lord hath spoken it. Fa raha mbola mandà sy miodina ihany ianareo, Dia ho lanin' ny sabatra: Fa ny vavan' i Jehovah no efa niteny. Fa raha manohitra sy miodina kosa hianareo, dia ho levonin' ny sabatra; fa efa niteny ny vavan' ny Tompo. Mais si vous refusez et vous rebellez, c' est l'épée qui vous mangera! Car la bouche de Yahvé a parlé.
Isa / Iz 1:21 How is the faithful city become an harlot! it was full of judgment; righteousness lodged in it; but now murderers. Indrisy! tonga janga ity tanàna mahatoky Izay feno ny rariny taloha Sady nitoeran' ny fahamarinana, Fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao. Ahoana no nahatongavany ho janga, izy ilay tanàna mahatoky sy feno fahamarinana, izay nonenan' ny fitsarana marina; fa ankehitriny kosa ... mpamono olona no eo! Comment est-elle devenue une prostituée, la cité fidèle ? Sion, pleine de droiture, où la justice habitait, et maintenant des assassins!
Isa / Iz 1:22 Thy silver is become dross, thy wine mixed with water: Ny volafotsinao efa tonga tain-drendrika; Ny divainao efa voatsatso rano; Ny volafotsinao zary tain-drendrika, ny divainao notapohin-drano. Ton argent est changé en scories, ta boisson est coupée d' eau.
Isa / Iz 1:23 Thy princes are rebellious, and companions of thieves: every one loveth gifts, and followeth after rewards: they judge not the fatherless, neither doth the cause of the widow come unto them. Ny lehibenao dia mpiodina sady naman' ny mpangalatra; Samy tia kolikoly sy fatra-nitady tambitam-by avokoa izy rehetra; Ny kamboty tsy mba omeny rariny, Ary ny adin' ny mpitondratena tsy avelany ho entina eo anatrehany. Ny lehibenao mpikomy, sy naman' ny mpangalatra; sady tia fanatitra no fatra-pitady tambitamby avokoa; ny kamboty tsy omeny rariny; ary ny adin' ny mpitondratena, tsy tonga eo anatrehany. Tes princes sont des rebelles, complices de brigands, tous avides de présents, courant après les pots-de-vin. Ils ne font pas droit à l' orphelin, la cause de la veuve ne leur parvient pas.
Isa / Iz 1:24 Therefore saith the Lord, the Lord of hosts, the mighty One of Israel, Ah, I will ease me of mine adversaries, and avenge me of mine enemies: Ka dia hoy Jehovah, Tompon' ny maro, Ilay Maherin' ny Isiraely: E! hiala fo amin' ny mandrafy Ahy Aho Ary hamaly ny fahavaloko. Ka noho izany - Teny ton' ny Tompo, Iaveh' ny tafika, ilay Maherin' Israely: - Edrey! hiala fo amin' ny mpandrafy ahy aho, sy hamaly an' ireo fahavaloko. C' est pourquoi, oracle du Seigneur Yahvé Sabaot, le Puissant d' Israël : Malheur! j' aurai raison de mes adversaires, je me vengerai de mes ennemis.
Isa / Iz 1:25 And I will turn my hand upon thee, and purely purge away thy dross, and take away all thy tin: Dia hamerina ny tanako ho aminao Aho, Ka hodioviko amin' ny lavenona ianao hahafahan' ny tain-drendrikao, ary hesoriko ny firaka rehetra aminao. Haninjitra ny tànako aminao aho, ka ny tain-drendrikao hoempoiko toy ny amin' ny sirahazo, ary ny potipoti-pirakao rehetra ho esoriko. Je tournerai la main contre toi, j'épurerai comme à la potasse tes scories, j'ôterai tous tes déchets.
Isa / Iz 1:26 And I will restore thy judges as at the first, and thy counsellors as at the beginning: afterward thou shalt be called, The city of righteousness, the faithful city. Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao, Ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin' ny voalohany; Ary rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe: Tanànan' ny fahamarinana, Tanàna mahatoky. Hametrahako mpitsara toy ny tany aloha hianao, mbamin' ny mpanolo-tsaina toy ny tamin' ny andro voalohany. Rahefa izany dia hantsoina hoe tanànan' ny fahamarinana, tanàna mahatoky hianao. Je rendrai tes juges tels que jadis, tes conseillers tels qu' autrefois. Après quoi on t' appellera Ville-de-Justice, Cité fidèle.
Isa / Iz 1:27 Zion shall be redeemed with judgment, and her converts with righteousness. Ziona havotana amin' ny fitsarana, ary izay efa mibebaka ao dia havotana amin' ny fahamarinana; Havotana amin' ny hitsiny Siona, ary amin' ny rariny, izay hibebaka ao. Sion sera rachetée par la droiture, et ceux qui reviendront, par la justice.
Isa / Iz 1:28 And the destruction of the transgressors and of the sinners shall be together, and they that forsake the Lord shall be consumed. Ary samy haringana avotoa ny mpiodina sy ny mpanota, Eny, ho lany ritra izay mahafoy an' i Jehovah. Fa ny mpikomy amam-panota kosa, indray torotoroina avokoa; ary izay mahafoy an' ny Tompo, dia ho faty. C' est la destruction des criminels et des pécheurs, tous ensemble! Ceux qui abandonnent Yahvé périront.
Isa / Iz 1:29 For they shall be ashamed of the oaks which ye have desired, and ye shall be confounded for the gardens that ye have chosen. Fa hahazo henatra ianareo noho ny amin' ny hazo terebinta izay nifalianareo, ary hangaihay ianareo noho ny amin' ny saha izay natokanareo. Fa ho menatra ny terebinta nankamaminareo ary ho menatra ny zaridaina izay nahafinaritra anareo hianareo. Oui, on aura honte des térébinthes qui font vos délices, vous rougirez des jardins que vous avez choisis.
Isa / Iz 1:30 For ye shall be as an oak whose leaf fadeth, and as a garden that hath no water. Fa ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina ianareo, Sy ho tahaka ny saha tsy misy rano. Satria ho tahaka ny terebinta nalazo ravina hianareo, ary tahaka ny zaridaina tsy misy rano. Car vous serez comme un térébinthe au feuillage flétri, et comme un jardin qui n' a plus d' eau.
Isa / Iz 1:31 And the strong shall be as tow, and the maker of it as a spark, and they shall both burn together, and none shall quench them. Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon' afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo. Ary ny olo-mahery ho tahaka ny rano, ary ny asany ho kilalaon' afo. Ka hiara-mirehitra izy roa tonta, sady tsy hisy olona hamono ny afo. Le colosse deviendra comme de l'étoupe, et son oeuvre sera l'étincelle : ils flamberont tous deux ensemble, et personne pour éteindre.

<-
->