<-
->

Si 1:1 Ny fahendrena rehetra dia avy amin' ny Tompo; ao aminy mandrakizay izy. Toute sagesse vient du Seigneur, elle est près de lui à jamais.
Si 1:2 Iza no mahisa ny fasika amin' ny ranomasina, ny fiteten' ny ranonorana, ary ny andro efa lasa? Le sable de la mer, les gouttes de la pluie, les jours de l'éternité, qui peut les dénombrer?
Si 1:3 Zovy no mahatakatra ny hahavon' ny lanitra sy ny haben' ny tany, sy ny halalin' ny hantsan' ny fahendrena? La hauteur du ciel, l'étendue de la terre, la profondeur de l' abîme, qui peut les explorer?
Si 1:4 Voahary talohan' ny zavatra rehetra, ny fahendrena, ary ny fahazavan' ny saina hatramin' ny mandrakizay. Mais avant toutes choses fut créée la sagesse, l' intelligence prudente vient des temps les plus lointains.
Si 1:5 Ny loharanon' ny fahendrena, dia ny tenin' Andriamanitra any an-tampon' ny lanitra, ary ny làlany, dia ny lalàna mandrakizay.
Si 1:6 Iza no nanambarana ny foto-pahendrena? Zovy no nahalala ny heviny lalina? La racine de la sagesse, à qui fut-elle révélée? Ses ressources, qui les connaît?
Si 1:7 Iza no nilazana sy nanehoana ny fahalalana ny fahendrena, ary zovy no mahazo an-tsaina ny hasarobidin' ny làlany? ...
Si 1:8 Iray ihany no hendry, hany atahorana indrindra, mipetraka eo amin' ny seza fiandrianany, dia ny Tompo. Il n' y a qu' un être sage, très redoutable quand il siège sur son trône
Si 1:9 Izy no nahary azy; nahita azy izy ka nampahalala azy; c' est le Seigneur. C' est lui qui l' a créée, vue et dénombrée, qui l' a répandue sur toutes ses oeuvres,
Si 1:10 nandrotsaka azy tamin' ny asany rehetra izy, sy amin' ny nofo rehetra, araka ny ambaratongam-panomezany. Notolorany be izay tia azy. en toute chair selon sa largesse, et qui l' a distribuée à ceux qui l' aiment.
Si 1:11 Ny fahatahorana ny Tompo, dia haja amam-boninahitra, ary fifaliana amam-pehiloha firavoravoana. La crainte du Seigneur est gloire et fierté, gaîté et couronne d' allégresse.
Si 1:12 Ny fahatahorana ny Tompo mampiravoravo ny fo, mampahazo fisariadriaka aman-kafaliana sy andro lava. La crainte du Seigneur réjouit le coeur, donne gaîté, joie et longue vie.
Si 1:13 Izay matahotra ny Tompo, hahita soa amin' izany amin' ny farany, ary hahazo sitraka izy, amin' ny andro hahafatesany. Ny fitiavana an' Andriamanitra no fahendrena be voninahitra; omen' Andriamanitra fahendrena izay olona isehoany, mba hahabanjinany azy. Pour qui craint le Seigneur, tout finira bien, au jour de sa mort il sera béni.
Si 1:14 Ny fahatahorana an' Andriamanitra, no fiandohan' ny fahendrena; miara-miforona amin' ny olo-marina, hatrany an-kibon-dreniny izy. Le principe de la sagesse, c' est de craindre le Seigneur; en même temps que les fidèles, elle est créée dès le sein maternel.
Si 1:15 Mamboatra fonenana mandrakizay ho azy, ao amin' ny olombelona izy, ary honina tsy hiala ao amin' ny taranany. Parmi les hommes, elle s' est fait un nid, fondation éternelle, et à leur race elle s' attachera fidèlement.
Si 1:16 Ny fahendrena feno tanteraka, dia ny matahotra ny Tompo; vokisany ny vokany izay manana azy. La plénitude de la sagesse, c' est de craindre le Seigneur, elle les enivre de ses fruits;
Si 1:17 Fenoiny zava-paniry ny tranony rehetra, ary fenoiny ny vokany ny fitoeram-bokany. elle remplit toute leur maison de trésors et de ses produits leurs greniers.
Si 1:18 Ny fehilohan' ny fahendrena, dia ny fahatahorana ny Tompo; mampandroso fiadanana sy mahavokatra famonjena izy. Le couronnement de la sagesse, c' est la crainte du Seigneur, elle fait fleurir bien-être et santé.
Si 1:19 Nahita azy ny Tompo, dia namosaka azy, ary samy fanomezan' Andriamanitra izy roa ireo. Mampiboiboika be ny fahalalana sy ny fahazavan' ny saina izy, sy mankalaza ny voninahitr' izay manana azy. Le Seigneur l' a vue et dénombrée, il a fait pleuvoir la science et l' intelligence, il a exalté la gloire de ceux qui la possèdent.
Si 1:20 Ny foto-pahendrena dia ny fahatahorana ny Tompo, ary ny sampany dia ny andro lava iainana. La racine de la sagesse, c' est de craindre le Seigneur, et sa frondaison, c' est une longue vie.
Si 1:21 Mandroaka ny fahotana ny fahatahorana ny Tompo, ary mampidify ny hatezerana izay mifikitra aminy. ...
Si 1:22 Tsy azo hamarinina ny olona tsy marina sy foìzina, fa mitarika ny famongorana azy ny afonafon' ny hatezerany. La passion du méchant ne saurait le justifier, car le poids de sa passion est sa ruine.
Si 1:23 Miandry hatramin' ny fotoana ny olona mandefitra, ka miverina aminy indray ny firavoravoany. L' homme patient tient bon jusqu'à son heure, mais à la fin, sa joie éclate.
Si 1:24 Afeniny hatramin' ny fotoana mety ny teniny, ka tantarain' ny olo-mahatoky ny fahamalinany. Jusqu'à son heure, il dissimule ses paroles, et tout le monde proclame son intelligence.
Si 1:25 Ny raki-pahendrena, misy foto-kevi-pahamalinana, fa ny fitiavana an' Andriamanitra kosa, dia fahavetavetana amin' ny mpanota. Dans les trésors de la sagesse sont les maximes de la science, mais le pécheur a la piété en horreur.
Si 1:26 Maniry fahendrena va hianao? tandremo ary ny didy, dia homen' ny Tompo anao izany. Convoites-tu la sagesse? Garde les commandements, le Seigneur te la prodiguera.
Si 1:27 Fa ny fahendrena amam-pahalalana, dia ny fahatahorana ny Tompo; ary ny ankasitrahany, dia ny fahamarinana amam-kalemem-panahy. Car la crainte du Seigneur est sagesse et instruction, ce qu' il aime, c' est la fidélité et la douceur.
Si 1:28 Aza mandà tsy hanana ny fahatahorana ny Tompo; ary aza fo miefitrefitra no anatonanao azy. Ne sois pas indocile à la crainte du Seigneur, et ne la pratique pas avec un coeur double.
Si 1:29 Aza mihatsaravelatsihy eo imason' ny olombelona; ary tandremo ny molotrao. Ne sois pas hypocrite devant le monde, et veille sur tes lèvres.
Si 1:30 Aza manandra-tena hianao, fandrao dia miongana; ka hanafo-kenatra ny tenanao hianao. Fa ny Tompo hanambara izay afeninao, ka handronjina anao ho eo afovoan' ny fivoriana, noho hianao tsy nilozoka tamin' ny fahatahorana ny Tompo, ka feno fitaka ny fonao. Ne t'élève pas, de peur de tomber et de te couvrir de honte, car le Seigneur révélerait tes secrets et, au milieu de l' assemblée, il te renverserait, parce que tu n' as pas pratiqué la crainte du Seigneur et que ton coeur est plein de fraude.

<-
->