Teny iditra ririnina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fizaran-taona mangatsiaka, manarakaraka ny fararano, izay iririsan' ny fanala ny ravin-kazo ka mahatonga azy hihintsana: rakodrahona matetika ny lanitra ary mifafy ny erika arahindrivotra mamirifiry avy atsimo atsinanana; hatramin' ny volana jiona ka hatramin' ny aogositra no aharetan' ny ririnina. (Ny ririnina dia antsoina koa hoe: main-tany) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Winter, the cold and dry season [1.7]
Fanazavàna teny frantsay L'hiver, la saison froide et sèche [1.8]
Ohatra 
1natahorana hosovoka vao maraina ny hatsiaka noho ny fiandohan' ny ririnina. [2.470]
2Ny ririnina nanaraka iny fahavoazana niraisana iny mantsy, nanorina trano biriky ngezabe ry zareo. [2.472]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : ririnina, ririnim-, ririnim', ririnin-, ririnin'
Tovonana : -dririnina, -dririnim-, -dririnim', -dririnin-, -dririnin'
Sampanteny 
Tovy hevitra main-tany
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Lohateny Lohataona sy ririnina (Ratsifandrihamanana Clarisse)
Ririnina (Andrianjatovo Haëckel)
Ririnina ny andro
Mpanahaka  lohataona ~ fahavaratra ~ fararano
Ohabolana 

Teny iditra Ririnina
Singan-teny ririnina
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Andrianjatovo Haëckel
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra
Lahatsoratra Nankaiza ny tsiky, ny lanitra manga
No be sorisory sy maloka lava?
Somparan'ny rahona ka tsy mitranga
Ny fara-masoandro natao hanazava

Nankaiza ny ravina, elon'ny hazo
Ny vony mivelatra, radon'ny saha?
Finaokan'ny rivotra fa efa malazo
Tsy ho hitan'ny mason'ny tia zahazaha

Mangina ny feo mikotaba ao an'ony
Fitopa malefaka sy eri-mitaika
No reko mahalana, tony dia tony
Nankaiza ny riana mahery fiantraika?

Ny tampon-tanety nahoana no ngazana?
Ny tendron-kavoana no mangadihady?
Mahaiza mandinika rehefa mitazana
Ny fotoa-mamanala efa tonga sahady

Izany ka izany no tsy andrenesana
Ny vazon'ny vorona zatra mihira
Matahotra hatsiaka sy fahafatesana
Ka lasa mihataka arý an-dakira

Izany ka izany no tsy ahitana
Aina marisika, vonon-kiasa
Ny andro kanefa dia mbola hafana
Ny hatsiakan-dririnina koa ho lasa

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/12