Teny iditra dadabe (dada, be)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fiantsoana ny rain' ny ray na ny rain' ny reny: Andeha ho aiza ianao, ry dadabe ?
Kakibe, fa azo ampiasaina koa hilazana tsotra ny rain' ny ray na ny rain' ny reny; raibe: Lasa any an-tsena i dadaben' i Soa
Teny fanajana ilazana lehilahy efa zokiolona tokony hanana zafikely [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A grandfather [1.2]
Ohatra 
1Hodinihina izany, ry dadabe. [2.270]
2Ny dadaben' I Dada, hono, no nanatrika ny toe-javatra. [2.472]
3Hozakaiko fa anjara dadabeko, hoy aho, nisento moramora. [2.643]
4Dadabem-borompotsy izany ilay hitanay tary an-dohasaha tary. [2.117]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : dadabe, dadabeko, dadabenao, dadabeny, dadabenay, dadabentsika, dadabenareo, dadaben', dadaben-, dadabem-
Tovonana : Idadabe, Idadabeko, Idadabenao, Idadabeny, Idadabenay, Idadabentsika, Idadabenareo, Idadaben', Idadaben-, Idadabem-
Lohateny Ny Sikajin' i Dadabe (Randriamiadanarivo)

Teny iditra Dadabé
Sokajin-teny anarana (lohatenin' boky)
Mpanoratra Rakotoson Michèle, 1984
Fanonta printy 1984. Karthala. Takila: 116.
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra
Lahatsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/12