Teny iditra |
zoro
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Faritra kitso eo amin' ny fihaonan' ny rindrina roa: Zoron-trano Rirana, ny mivohitra amin' ny fihaonan' ny lafy roa mifanapaka: Telo zoro ny zozoro ~ Zoron-databatra Kiho: Zoron-dalana Ireo lafy avaratra-atsinanana; atsimo-atsinanana; atsimo-andrefana; avaratra-andrefana amin' ny tany atao hoe vazan-tany: Zoron-tany efatra
Ny hazo atao amin' ny zoron-trano efatra amin' ny trano kotona nahatonga ny fitenenana hoe "sakeli-mihoa-joro". [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | A corner [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Coin [1.8, 1.13]
|
Ohatra | Ny reni-vintana zoro efatra kosa dia 30 andro ka ny faha -31 andro izy no tsinana.
[1.381]
|
Haiendriteny |
Tsotra : |
zoro,
zoroko,
zoronao,
zorony,
zorontsika,
zoronay,
zoronareo,
zoron',
zoron-,
zorom- |
Tovonana : |
-joro,
-joroko,
-joronao,
-jorony,
-jorontsika,
-joronay,
-joronareo,
-joron',
-joron-,
-jorom- |
|
Sampanteny |
Kamban-teny |
|
Ohabolana |
|
Teny iditra |
zoro
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Fikaonan' ny tsipika roa mifanapaka: Zoro sokera, zoro dombo, zoro maranitra [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | An angle [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Angle [1.8, 1.13]
|
Ohatra | Indraindray telo zoro, na efa-joro, na dimy zoro izy, ary misy izay misy hasiny, ets.
[1.357]
|
Voambolana |
Kamban-teny |
|
|
Teny iditra |
zoro
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny frantsay | Jour [1.13]
|
Voambolana |
Kamban-teny |
|
Ny fihaviany | Frantsay: jour.
|
|
Teny iditra |
zôro
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | [Sihanaka]
Zozoro maniry [1.78]
|
Fanazavàna teny frantsay | [Betsimisaraka Avaratra]
En ce qui concerne les plantes : tige triquètre, anguleuse, comme celle des Cyperaceae.
Dans le Nord-Est, synonyme de bilo .
[1.196]
|
Voambolana |
|