Teny iditra |
valisoa
(valy, soa)
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Fankasitrahana noho ny zavatra iray vita, izay sarotra na manahirana [1.1]
|
Fanazavàna teny frantsay | Récompense [1.13]
|
Ohatra |
1 | Aoka dia holazaiko ny valisoa homeko.
[2.643]
|
2 | Mandray valisoa arakaraka ny zavatra ataony ny mpiasa.
[2.445]
|
3 | Fanomezam-boninahitra ihany no natao valisoa ho an' ny miaramila.
[2.113]
|
|
|
Teny iditra |
valisoa
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny frantsay | [Sakalava]
(de valy : réponse, réplique ; et
soa : ce qui est bien ou beau).
Scaevola plumieri (L.) Vahl (Goodeniaceae).
Arbuste du littoral. Voir Guillaumet, Flore de Madagascar, Goodeniaceae (1978) p. 30.
[1.196]
|
Voambolana |
Anarana siantifika | Scaevola plumieri |
|
Teny iditra |
Valisoa
(valy, soa)
|
Sokajin-teny | anaran-tsamirery (olona)
|
Fanazavàna teny frantsay | On donne ce nom à des jeunes filles [1.196]
|
|