Teny iditra tsinjo
Sokajin-teny matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Sandra hita tsipalotra: Tsinjoko teny an-tsena Rakoto tamin' ilay maizim-bava vilany iny
Hita avy amin' ny toerana ambony: Tsinjoko ery an-dohasaha ny ondrinareo miraoka ahi-maitso
Tazana lavitra: Tsinjonao ve iry vato mandondona be iry? Any ambadik' iny no misy ny any aminay [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Aperçu, regardé de haut en bas, au loin: Tsinjoko eny an-tsaha ny ombiko (J’aperçois mes bœufs dans la campagne) ~ Tsinjoko teny an-dalambe izv ilay efa maizimaizina iny ny andro (Je l’ai aperçu sur la route à l’entrée de la nuit) [1.3]
Ohatra Analakely tomefy vahoaka anefa no tsinjo ary vahoaka minia tsy mahalala ny hamafin' ny toetr' andro noho ny antom-pivelomana manery sy mahazaka maniriraka. [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : tsinjo, tsinjoko, tsinjonao, tsinjony, tsinjontsika, tsinjonay, tsinjonareo, tsinjon', tsinjon-, tsinjom-
Ny lasa : tsinjo, tsinjoko, tsinjonao, tsinjony, tsinjontsika, tsinjonay, tsinjonareo, tsinjon', tsinjon-, tsinjom-
Ny hoavy : ho tsinjo, ho tsinjoko, ho tsinjonao, ho tsinjony, ho tsinjontsika, ho tsinjonay, ho tsinjonareo, ho tsinjon', ho tsinjon-, ho tsinjom-
Sampanteny 
Kamban-teny 
Anaran-toerana 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2024/03/27