Teny iditra tsihifina (tsihika)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Alaina tsikelikely ambara-pahafongany, ambarapaharitrany: Notsihifiny tao ny volan-dray aman-dreniny ka lany fongana tamin' ny farany
Ny rano ao an-tsinibe aza raha tsihifina dia ritra rehefa ela ny ela
(hazandrano) Alaina amin' ny tandroho: Taiza no notsihifinao ireo tilapia vaventy ireo? [1.1]
Ohatra na asiana vovo, na tsihifina amy ny tandroho, na jonoina amy ny fintana, na alosika. [2.48]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : tsihifina, tsihifiko, tsihifinao, tsihifiny, tsihifintsika, tsihifinay, tsihifinareo, tsihifin', tsihifin-, tsihifim-, tsihifi-
Ny lasa : notsihifina, notsihifiko, notsihifinao, notsihifiny, notsihifintsika, notsihifinay, notsihifinareo, notsihifin', notsihifin-, notsihifim-, notsihifi-
Ny hoavy : hotsihifina, hotsihifiko, hotsihifinao, hotsihifiny, hotsihifintsika, hotsihifinay, hotsihifinareo, hotsihifin', hotsihifin-, hotsihifim-, hotsihifi-
Filaza mandidy : tsihifo

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20