Teny iditra soratononina
Singan-teny sora- (soratra) ; tononina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fanazarana na fampiasana any an-tsekoly, hianarana ny fanoratana ny teny araka ny fanao na ny fitsipi-panoratana; teny tononin' ny hafa ka soratan' ny hafa [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Dictée [1.13]
Ohatra Ary dia isan-kariva, tamin' ny tsy fianaranay teny anglisy, tonga tany amiko izy nanazatra ahy nitendry masinina, na nampanao ahy soratononina an-tsorapohy. [2.4]

Nohavaozina tamin' ny 2023/11/24