Teny iditra sokirina (sokitra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Lavahana amin' ny fandraka: Nosokirina tamin' ny vato ny sarin' ilay nitolona ho an' ny tanindrazana
Alatsaka, raiketina: Tokony hosokirinao ao am-ponao izany teny izany
Alaina amin' ny zavatra marani-doha: Sokiro kely irý paiso irý ho an-janako
Esorina, tsoahana: Sokiro ireto vomanga ireto
Alana: Nosokiriny ny loto tao anaty sofin-janany
Iangaviana fatratra: Nosokirina erý izy vao niteny [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be engraved, to be carved [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on grave [1.8]
Ohatra Rahefa nosokiriko naharitra ela teo izy, dia vaky ihany nony farany: [2.471]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : sokirina, sokiriko, sokirinao, sokiriny, sokirintsika, sokirinay, sokirinareo, sokirin', sokirin-, sokirim-, sokiri-
Ny lasa : nosokirina, nosokiriko, nosokirinao, nosokiriny, nosokirintsika, nosokirinay, nosokirinareo, nosokirin', nosokirin-, nosokirim-, nosokiri-
Ny hoavy : hosokirina, hosokiriko, hosokirinao, hosokiriny, hosokirintsika, hosokirinay, hosokirinareo, hosokirin', hosokirin-, hosokirim-, hosokiri-
Filaza mandidy : sokiro
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20