| Fanazavàna teny malagasy |
5 Teny ilazana ny karazan-teny fampiasa hanaovana fehezanteny.
6 Misy 11 ny sokajin-teny amin' ny teny malagasy: - ny matoanteny (ohatra: miteny),
- ny tambinteny (ohatra: afovoany),
- ny anarana (ohatra: ankizy),
- ny mpamaritra (ohatra: fotsy),
- ny mpisolo (ohatra: izy),
- ny mpanoritra (ohatra: ilay),
- ny mpampiankin-teny (ohatra: amy),
- ny mpampitohy fehezan-teny (ohatra: rehefa),
- ny mpampitohy (ohatra: ary),
- ny tenim-piontanana (ohatra: indrisy),
- ny kian-teny (ohatra: ve).
Maro amin' ireo sokajin-teny ireo indray no mitsinjara ho karazany vitsivitsy
[1.1]
7 fandaharana ny teny ho iray karazana
[1.13]
|