Teny iditra sesehana (sesika)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Ampidiran-javatra betsaka izay atsofoka atao mifanizina: Nosesehanao kapoaka angaha ity ondana ity no malemilemy mahafinaritra toy izany ~ Sesehany mofo tontolo andro ny zana-dRamatoa io ka aiza no tsy harory kibo
Asiana, lerana: Seseho ny totohondry, leity, io raha mamely an' ialahy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be made to have something forced in [1.2]
 To be stuffed, as a sausage or a pillow [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Dans quoi on fourre, on bourre, à qui l'on fourre un coup horizontalement [1.3]
 Qu'on farcit ou remplit, comme une saucisse ou un oreiller [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : sesehana, sesehako, sesehanao, sesehany, sesehantsika, sesehanay, sesehanareo, sesehan', sesehan-, seseham-, seseha-
Ny lasa : nosesehana, nosesehako, nosesehanao, nosesehany, nosesehantsika, nosesehanay, nosesehanareo, nosesehan', nosesehan-, noseseham-, noseseha-
Ny hoavy : hosesehana, hosesehako, hosesehanao, hosesehany, hosesehantsika, hosesehanay, hosesehanareo, hosesehan', hosesehan-, hoseseham-, hoseseha-
Filaza mandidy : seseho
Tsipelina hafa 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20