Teny iditra | 1 sakamalao |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.78] [Taisaka]
anamalao 4 [1.1] Zavamaniry masiaka mafanafana ny vodiny, latsadatsaka kely noho ny sakay |
Fanazavàna teny anglisy |
5 [1.7] ginger |
Fanazavàna teny frantsay |
6 [1.8, 1.13] gingembre 7 [1.196] [Merina] (de saka : produit de cueillette ; et malaho : qui a un goût piquant, brûlant). Zingiber officinale Roscoe (Zingiberaceae), le gingembre, plante condimentaire bien connue, cultivée et souvent subspontanée. En médecine populaire, on s'en sert comme apéritif, cordial, en cas de digestion difficile et dans les insuffisances hépatiques. Voir aussi sakamalaokely. |
Ohatra |
8 Ny entana naondrana dia ny vary, ny omby, ny sakamalao, ny fary, ny vy. [2.508#] 9 Fadin' ny bevohoka ny homana sakamalao, fa maha-kamban-drantsana ny zaza, hono. [1.437#] 10 Mangahazo, ramirebaka, sakamalao sisa hita tamin' ny fivarotana tao an-tanàna [2.472] 11 Tantely sy sakamalao atanintanina afo sy ravinkazo tanehina no asolosolo izany indraindray [2.470] |
Voambolana |
12 Haizavamaniry: zavamaniry fanao fanafody |
Tsipelina hafa | 13 sakamalaho |
Tovy hevitra | 14 fakamalao, sakaitany, sakarivo, sakaviro |
Mpanahaka | 15 sakarivo, sakaitany |
Anarana ara-tsiansa |
|
Ohabolana | 17 Ohabolana misy io teny sakamalao io |
Nohavaozina tamin' ny 2024/12/12 |