Teny iditra nety > etỳ
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Milaza toerana malalaka misy ny tena, mifamaly amin' ny atỳ izay manisikevitra mifanohitra amin' ny any, ary mifanohitra amin' ny eto, izay milaza toerana tokana: Mahasalama ny monina etỳ ambanivohitra (Tiako ny monina atỳ ambanivohitra noho ny any ambonivohitra ~ Tiako ny mitsotsotra eto ambody hazo eto)
Momba ny fiverenany indroa sy ny milaza ny lasa, jereo eo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Here fairly close (in sight) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Ici assez près, visible [1.8]
Ohatra 
1Feno azy ireny tety amintsika taloha. [2.117]
2Moa tsy nisy olona nampiahiahy akory nanatonatona tety? [2.357]
3Raha nisy filanjana aza tety, tsy navelanay handia tany hianao! [2.324]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : etỳ
Ny lasa : tetỳ
Ny hoavy : ho etỳ
Filaza mandidy : metia
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Mpanahaka  etỳ ~ eto ~ eo ~ etsy ~ eny ~ eroa ~ erỳ
  atỳ ~ ato ~ ao ~ atsy ~ any ~ aroa ~ arỳ

Teny iditra nety > ety
Sokajin-teny Tsy lazaina
Fanazavàna teny anglisy Primitive root of mety [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Racine de mety [1.3]
Sampanteny 

Teny iditra nety > ety
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Ilazana toerana kely sakana na habe ka tsy omby: Ety ny lalana taloha ~ Ety kely itỳ efitrano itỳ ka mijaly izahay
Tsy afa-miaina tsara fa toa voaporitra ny tena: Ety aho ka mikisakisaha
Mafy, sarotra: Ety loatra izany lalana mbola hodiavintsika izany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Narrow, close [1.7]
Fanazavàna teny frantsay étroit, serré [1.8]
Sampanteny 
 
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Teny iditra nety > mety (ety)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny anglisy Willing; fit, suitable; permitted [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Convenable [1.3, 1.8, 1.5]
 Juste
Qui consent [1.3]
 Permis
Qui convient [1.3, 1.8]
 Qui veut bien [1.8]
Ohatra 
1Nanandrana nanao fialana kely i Dada na nangataka andro tamin' itsy sy iroa, fa tsy nety izy. [2.4]
2Koa izao no hevitra mety [2.324]
3Fa tsy mety aho, hoy izy [2.48]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mety
Ny lasa : nety
Ny hoavy : hety
Filaza mandidy : meteza
Sampanteny 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra