|
|
|
|

Teny iditra (1/5)1  na
Sokajin-teny  2  mpampitohy
Fanazavàna teny malagasy  3  Teny mpampitohy
4  Enti-milaza zavatra roa azo ifidianana: Fidio izay tianao na ny vola na ny voninahitra
5  Enti-milaza olona, zavatra, toe-javatra daholobe tsy ankanavaka: Tonga tao daholo na lehilahy na vehivavy na antitra na tanora na kely na lehibe [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6  or, nor, though, whether, neither, if. It is also used to form several indefinite pronouns and adverbs. Compare sa [1.2]
7  or; either; neither [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8  ou: Manorata na mamakia boky: samy mety daholo izay ataonao (écrivez ou lisez: ce que vous choisissez de faire est bon) ~ Samy mamy na ny ray na ny reny ~ Samy mampalahelo na ny mpandany na ny kahihitra [1.12]
9  ou [1.8]
Kamban-teny 
Tsanganana sy sary iray takila  13  Ny mpampitohy rehetra

Teny iditra (2/5)14  na
Sokajin-teny  15  kianteny
Fanazavàna teny malagasy  16  Heverina ho niavian' ny n' na n- ihany, izay ilazana tompon-javatra, saingy tsy fampiasa intsony ankehitriny afa-tsy:
1) raha milaza vidin-javatra: Vomanga-na volafolo;
2) amin' ny filazana izay olona nikendrena zavatra iray: Trano-na miaramila;
3) amin' ny filazana mpanao asan' ny iharana raha tsy voafaritra io mpanao asa io: Vita-na Malagasy [1.1]
Tsanganana sy sary iray takila  17  Ny kianteny rehetra

Teny iditra (3/5)18  na
Sokajin-teny  19  kianteny
Fanazavàna teny malagasy  20  Kianteny atao eo alohan' ny anarana iray, izay enti-manazava anarana hafa voalaza eo aloha: Dia indro Antananarivo na ilay Analamanga fahiny [1.1]
Tsanganana sy sary iray takila  21  Ny kianteny rehetra

Teny iditra (4/5)22  na~
Sokajin-teny  23  tovona
Fanazavàna teny frantsay  24  préfixe comme dans naotra [1.3]

Teny iditra (5/5)25  Na
Sokajin-teny  26  anarana (eva)
Voambolana  27  Simia
Fanazavàna teny malagasy  28  Singa mivaingana, faha-11 amin'ny fisokajiana miherina. [3.1]
Fanazavàna teny anglisy  29  Sodium. [3.1]
Tsanganana sy sary iray takila  30  Fisokajiana miherina

Nohavaozina tamin' ny 2024/09/07