|
|
|
|

Teny iditra (1/5)1  sa
Sokajin-teny  2  mpampitohy
Fanazavàna teny malagasy  3  Ampiasaina hisolo ny "na" raha manontany, ka araka izany, dia entina hampisafidy amin' ny zavatra roa: Inonano tianao, zanaka sa harena [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4  or ? used in question or in presenting alternative choices, as: inona no tianào, ny fòtsy sa ny mèna ? (which do you like; the white one or the red one ?) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  5  ou; sert à poser une question en présentant un choix; ex.: inona no tianào, ny fòtsy sa ny mèna ? (lequel aimez-vous, le blanc ou le rouge?) [1.8]
Tsanganana sy sary iray takila  6  Ny mpampitohy rehetra

Teny iditra (2/5)7  sa~
Sokajin-teny  8  tovona
Fanazavàna teny malagasy  9  Tovona fanaovana fototeny faharoa milaza asa misy fihetsehana: Sabaka (baka), safelika (felika) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  10  a prefix to many roots, as safidy for fidy, etc. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  11  préfixe qu'on ajoute à certaines racines et qui sert à former des racines secondaires: savily de vily. [1.3]

Teny iditra (3/5)12  sa
Sokajin-teny  13  anarana
Fanazavàna teny malagasy  14  vintana, lahatra [Tanala] [1.78]

Teny iditra (4/5)15  sa
Sokajin-teny  16  anarana
Fanazavàna teny malagasy  17  resaka, teny [Bara] [1.78]

Teny iditra (5/5)18  sa
Sokajin-teny  19  mpamaritra (vavy)
Fanazavàna teny malagasy  20  -ny: Sa mère (ny reniny) [1.9]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31