Teny iditra misononoka (sononoka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandeha moramora misosa tsy misy manelingelina, misosa miadana toa lakana ambony rano tony: Nisononòka tsara ny fiondranako
Mizotra tsara amim-pilaminana sy fifaliana: Misononoka ny fiainan' io fianakaviana io [1.1]
Ohatra Irony rano eny an-tampon'Ankaratra
tazanin-davitra mamirapiratra
hatonina akaiky misononoka fandeha
voromanga voatora-defona
ka tsy mijanona tsy any Itasy
[2.131]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : misononoka
Ny lasa : nisononoka
Ny hoavy : hisononoka
Filaza mandidy : misononoha

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20