Teny iditra miraparapa (raparapa)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Bara] Mipelipelika tsy misy filaminana [1.78]
 Mandeha na mamindra tsy mahita izay hodiavina ka mitsapatsapa; mandeha amin' ny maizina: Maty tampoka ny jiro ka niraparapa eran' ny trano aho
Mitovy hevitra: miapanapana ~ mipampana ~ mipapapapa ~ mipempena ~ mitsapatsapa
Mandeha-mizotra fotsiny amim-pahamaikana ka tsy mihevitra izay ho vokany, mandeha anjamba mitotototo, manao zavatra tsy voakendry: Niraparapa tany amiko izy taorian' ny nahavoazan-janany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To grope for or at things in the dark; to stagger as one groping about. [1.2]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : miraparapa
Ny lasa : niraparapa
Ny hoavy : hiraparapa
Filaza mandidy : miraparapà

Teny iditra miraparapa
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Sihanaka] Dodona dia dodona [1.78]

Teny iditra miraparapà (raparapa)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao miraparapa [fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  [1.2]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20