Teny iditra mifanena (tsena)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mifankahita sendrasendra toa nitsena ny iray ny iray; miara-tonga amin' ny toerana iray, mifanojo, mifanehatra: Nifanena teny andalana izahay sy ny mpampianatra anao [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Se rencontrer réciproquement [1.107]
Ohatra 
1Raha mba mijery ireo mantsy izy, ka mifanena any ny masonay. [2.324]
2Ohatra ny olon-dratsy daholo ny fahitako izay mifanena amiko rehetra. [2.4]
3Rariny ve raha hatobaka eo an-tongotr’ izay mifanena aminao voalohany izany harem-be saro-bidy izany, satria tia ianao? [2.5]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mifanena
Ny lasa : nifanena
Ny hoavy : hifanena
Filaza mandidy : mifane
Lohateny Firy no efa nifanena tamin' ny mpamosavy (Andrianjafy Michel)
Ohabolana 

Teny iditra mifanenà (tsena)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mifanena [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20