Teny iditra mifanaiky (aiky)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mifanao fanekena: Nifanaiky ny andaniny sy ny ankilany fa hatsahatra ny ady
Mifanaraka, manapakevitra miaraka: Tsarovy ja nifanaiky tamiko ianao fa hanome vola ariary zato ahy
Enti-milaza olona roa mifanao fanekena fa hivady: Efa nifanaiky teo imason' Andriamanitra sy ny fiangonana ianareo [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Comme mifaneky [1.3]
Ohatra 
1Izy roa ireo no mifanaraka sy mifanaiky. [2.606]
2Ny hoe tsy mifanaiky amim-bazaha dia toa fomba ilazàna fa tsy manaiky ny vazaha. [2.366]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mifanaiky
Ny lasa : nifanaiky
Ny hoavy : hifanaiky
Filaza mandidy : mifaneke
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/27