Teny iditra mibirioka (birioka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mivily any amin' ny tsy izy, tsy mahitsy fa misondrovaka misompirana na miolaka: Nihirioka ny bala ha tsy hita izay nalehany ~ Nibirioka ny lahatenin-dRangahy: fivavahana no foto-dresaka ka Lasa tany amin' ny politika
Mitovy hevitra: manindao sidina ~ mibisioka ~ misondrovaka ~ mivaona ~ mivily ~ miviona
Mandositra, mitsoaka, milefa: Mibirioka matetika io zazalahy io [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To deviate from a straight course, to turn aside, to go crookedly, as a ball or spear thrown at a mark. [1.2]
Ohatra Tsy fantatra izay voa na ny mpamily na ny kodiarana iray aloha, fa nibirioka niankavia ilay fiara ary tonga dia nivadika teo amin' ny sisin-dalana. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mibirioka
Ny lasa : nibirioka
Ny hoavy : hibirioka
Filaza mandidy : mibirioha

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20