Teny iditra miantoka (antoka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Milaza ny tena ho tompon' andraikitra momba ny zavatra Iray raha very na simba na tsy vita araka ny fifanarahana fo zavatra io, ka manao izay hiverenany na hahavitany: Aza matahotra ianao fa izaho no miantoka ny volanao nosamborin-dRakoto
Milaza fa ny tena no tompon' andraikitra momba ny toetran' olona iray na zavatra iray: Izaho no miantoka io voampanga io fa aoelao aloha izy hody any amin' ny fianakaviany
Mandray ho andraikitra ny fandoavana ny vola lany: Tsaboy tsara ity marary ity fa izaho no hiantoka izay lany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be surety for. [1.2]
 To guarantee; to carry the expense of; to insure, to go good for [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Garantir; se charger des frais de; assurer [1.8]
Ohatra 
1Fantatro anefa fa tsy miantoka na inona na inona izany. [2.472]
2Miasa andro aman' alina ny sambo amin' ny fanondranana entana, saingy efa-dahy izahay no miantoka ny fanisana entana, ka roa lahy isaky ny miditra. [2.471]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : miantoka
Ny lasa : niantoka
Ny hoavy : hiantoka
Filaza mandidy : miantoha
Ohabolana 

Teny iditra miantoka (antoka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny anglisy To nod assent. [1.2]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : miantoka
Ny lasa : niantoka
Ny hoavy : hiantoka
Filaza mandidy : miantoha

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2022/09/05