Teny iditra mba
Sokajin-teny mpampitohy [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Teny mpampitohy fehezankevitra ka milaza antony hanaovan-javatra: Tonga izahay mba hijery sy hamantatra (arahin' ny "milaza ny ho avy" mandrakariva ity mba ity) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy In order that [1.2, 1.7]
 Too, as well as; that [1.2]
 In order to (followed by the future tense) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Particule exprimant le respect, la surprise, l’optatif; afin que [1.3]
 Afin que, pour que: Mitenena mafy mba ho henon'ny olona rehetra ny feonao (Parlez fort pour que tout le monde vous entende) [1.12]
 Afin de, afin que (suivi du futur) [1.8]
Kamban-teny 
Mpanahaka  ndrao ~ sangoa ~ sao

Teny iditra mba
Sokajin-teny filaza mandidin' ny anarana omba [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Kianteny enti-manisika hevitra.
Fanajana, fiangaviana raha toa ka mampiasa matoanteny amin' ny fomba mandidy; entina manalefaka kokoa izay lazaina ny "mba" fa tsy mandidy: Mba omeo kely amin' iny aho. / Mba mianara fa aza varian-daolao
Fanesoana: Izany hono ka mba hendry
Filazana sahala amin' ny "koa", izay ampiasaina miaraka aminy rahateo: Mba handeha koa aho raha mandeha ianao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A softening particle, meaning please [1.2]
 Used to make a request or statement more respectful; mba omeo taratasy kely aho (please, give me some paper) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Impératif de omba : Mba hendry hianao (Soyez sage vous aussi [comme les autres]) ~ Mba tonga hianareo (Venez, arrivez vous aussi) [1.3]
 Qui adoucit une commande; mba omeo taratasy kely aho (veuillez me donner du papier) [1.8]

Teny iditra mba
Sokajin-teny kianteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Kianteny kely ampiasaina mba hampirisika na hanainga olona ho toy izao sy toy izao: Mbà hendry anaka. Mbà olom-banona (marihina fa tsy fampiasa miaraka amin' ny matoanteny amin' ny fomba mandidy itỳ mbà itỳ: Mbà mianatra tsara fa tsy mba mianara tsara; Ny "mba" manalefaka ny fomba mandidy no azo ampiarahina amin' ny fomba mandidy: Mba mianara fa aza varian-daolao) [1.1]

Nohavaozina tamin' ny 2022/01/27