Teny iditra manodidina (hodidina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandeha manapitra ny sakany sy ny lavany: Entina manodidina ny fahitra ny zaza rehefa mivoaka itany
Mamaritra ny sisiny ivelany rehetra: Misy tamboho boribory manodidinany tanànanay
Manao sokera, manarona: Efa manodidina ny tanàna ny fahavalo
Miolikolika, misafelika: Nanodidina aloha izy vao namantana niteny ny raharaha nalehany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To surround; to go around [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Entourer; faire le tour [1.8]
Ohatra Rehefa hariva ny andro, dia ny nikajakaja ny sakafo no nataony, ka miramirana izy rehetra manodidina ny afo. [2.324]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manodidina
Ny lasa : nanodidina
Ny hoavy : hanodidina
Filaza mandidy : manodidìna
Kamban-teny 

Teny iditra manodidìna (hodidina)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manodidina [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11